Alahady 23 mey 2021 — Ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy i Masina Maria — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26-27 ; 16, 12-15

Mankalaza ny Pantekôty isika androany. Dia ilay andro nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ireo Apôstôly sy i Masina Maria : fototra indrindra nielezan’ny Fiangonana maneran-tany. Nampahatsiahivin’ny Evanjely antsika fa raha namory ireo apostoly roa ambin’ny folo lahy i Jesoa, dia nilazalaza tamin’izy ireo ny tsy maintsy handehanany hiakatra any amin’ny Ray. Nambarany mazava kosa anefa fa na izany aza, dia mbola ho eo amin’izy ireo mandrakariva Izy, na dia tsy ho hitany mivantana intsony aza. Hoy indrindra i Jesoa hoe : "Rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra". Tsy iza io Fahamarinana io fa i Jesoa ihany, araka ny nambarany hoe : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako." Rehefa miroso mankany amin’ny fahamarinana sy mandala ny fahamarinana isika, dia mizotra mankany amin’i Jesoa ; ary dia mandray ilay fitiavana ao amin’Andriamanitra sy manaiky hotarihiny. Izany indrindra no niseho tamin’ny andron’ny Pantekôty. Feno ny Fanahy Masina, nanjakan’ny Fitiavan’Andriamanitra ireo Apôstôly sy i Masina Maria ka tsy nijanona tamin’izy ireo fotsiny fa lasa nanatona ny vahoaka nitory ny fitiavan’Andriamanitra, nanambara ny Vaovao Mahafaly.

Io Fanahy Mpanafaka alahelo io, izay irahan’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa no nambarany fa hampianatra ireo Apôstôly sy hampahatsiahy azy ireo izay rehetra nolazain’i Jesoa. Manoloana ny zava-misy ankehitriny : toy ny fironana mankany amin’ny fanatontoloana, izay indraindray toa tsy voafehy ka manimba ny maha-izy ny olona, fa mitarika azy mankany amin’ny hantsan’ny fahaverezana ; ny fahasahiranana sy ny sedra isan-karazany, raha tsy hijery afa-tsy izao fihanaky ny Coronavirus maneran-tany izao… Izao indrindra no hidiran’ny Fanahy Masina an-tsehatra, ka hitarihany ny olombelona tsirairay hizotra amin’ny lalana marina sy tena izy. Ampahatsiahiviny antsika sy an’izao tontolo izao, fa tsy ny vola aman-karena, na ny fahefana sy ny voninahitra na ny fitadiavana tombontsoa mihoapampana no mampisy lanja ny fiainana, fa indrindra ny fitiavana isan’andro isan’ora ireo manodidina antsika. Fa izany indrindra no niantsoana ny Fiangonana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ary mba tsy hivadika amin’izay nanirahana azy. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...