Alatsinainy 10 mey 2021 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4

Ampahalalain’i Jesoa Kristy antsika mpianany ny fanenjehana hihatra amintsika. Tiany ho fantatsika dieny izao fa misy vidiny ary mety hihatra aman’aina ny fanarahan-dia Azy hatramin’ny farany. Noho ny tsy fahafantaran’ireo mpanenjika ny endriky ny Ray sy i Jesoa Zanany no anton’ny fanenjehana : tsy fantatr’izy ireo fa fitiavana Andriamanitra ary tiany ho voavonjy avokoa ny olombelona rehetra eto an-tany.

Toy izao àry, ny fomba hiatrehana ny fanenjehana araka ny voalazan’i Jesoa ao amin’ny Evanjely : mila tohizina ny fijoroana ho vavolombelony amin’alalan’ny teny sy oha-piainana ary tsy tokony ho taitra velively isika mpanara-dia Azy, satria miara-dàlana mandrakiriva amin’ny fijoroana ho vavolomeblon’i Kristy ny fanenjehana. Manaraka izany ampirisihin’i Jesoa isika mpanara-dia Azy mba hanaiky ny hotantanan’ny Fanahy Masina, fa Izy no Ilay Mpanafaka alahelo, na ny marimarina kokoa , Izy no Ilay Mpiaro na Mpisolo vava antsika. Io Fanahy Masina io mantsy no hanome hery antsika ka hahatonga antsika ho resy lahatra anaty amin’ny tsy maintsy hijoroana ho vavolombelon’i Kristy na dia eo aza ny fanenjehana isan-karazany ; io Fanahy Masina io ihany koa no hanome antsika ny fahasahiana fa izany no nolazain’i Jesoa Kristy indray andro hoe : "Fa raha atolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany ; satria tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo ho hiteny ao aminareo". Koa mivonona àry isika, hiatrika ireo karazam-panenjehana avy ao anatin’ny fianakaviana, avy ao anatin’ny fiaraha-monina misy antsika, any amin’ny toeram-piasana misy antsika, noho isika manara-dia an’i Jesoa Kristy. Mahaiza sy meteza hotantanan’ny Fanahy Masina ihany koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...