Zoma 30 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6
Teny manentana sy mitondra fanantenana ho antsika ny teny nambaran’i Jesoa tamin’ny Evanjely izay nohenointsika teo. Manasa antsika izy tsy hitebiteby amin’ny ity fiainana mandalo ity, fa hatoky sy hino tanteraka an’Andriamanitra sy izy Jesoa. Nambarany tamintsika teo fa misy toerana maro ao an-tranon’ny Ray, ary handeha izy hanamboatra izany toerana izany, ary nampanatena koa fa mbola hiverina haka ny olombelona ho eo akaikiny.
Matetika ny zavatra tena mapitebiteby ny fontsika dia ny fitadiavana ny saritsarim-pahasambarana mety madalo ihany. Ary ny fahasambarana izay katsahintsika eto an-tany dia tsy mety mahafapo antsika velively. Izany no mahatonga ny olombelona tsy ho afa-po amin’izay atolotra azy na izay ananany. Eto anefa i Jesoa, dia nampanantena ny tena hasambarana, ilay hasambarana tsy mety levona fa mahiritra mandrakizay.
Koa aoka àry ny fontsika mba hitodika mandrakariva amin’izany hasambarana tena izy izany. Ao amin’’i Kristy no hahitantsika ny tena fahatonina lavorary. Koa matokia ny teniny, ny torohevitra nomena antsika tamin’ny Evanjely teo. Nanoro mazava tamintsika ny fomba sy lalana mankany amin’izany hasambarana tena izy izany i Kristy : “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”
Ny fahaizana miraiki-po amin’i Kristy, lalana sy fahamarinana ary fiaianana, no hahafahantsika miditra ao an-tranon’ny Ray, dia tsy inona akory fa ny fiainana sy fitandremana ny didiny sy lalàny. Ny didiny dia mifototra amin’ny fitiavana, izay hatsara-panahy mifono fangorahana ny hafa, famelan-kelo sy famindram-po. Koa miezaha ary isika mba hahay maka tahaka azy, ka hiaina sy hampihatra ny teniny eo amin’ny fiainantsika andavan’andro, izay lalana mitondra makany amin’ny fahasambarana.