Alakamisy 29 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20

Nohenointsika taminy Evanjely teo fa rehefa avy nanasa ny togotry ny mpianatra i Jesoa dia nampita fampianarana lalina dia lalina tamin’izy ireo manao hoe: "ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony, na ny iraka tsy ambony izay naniraka azy."

Ny asa ataon’i Jesoa dia fanatanterahana ny irak’izy Andriamanitra Ray, asa feno fanetren-tena sy fitiavana ary fanompoana. Ny fanasany ny tongotr’ireto mpianatra moa dia entina anehoana amintsika fa ny asa nanirahany Ray azy dia asa fanompona ny olombelona. Nanome ohatra tsara ho antsika i Kristy mba ho fakan-tahaka. Akoatra ny asa fanompoana dia tao ny fampianarana ny didim-pitiavana, ny famelan-keloka.

Manasa antsika tsirairay àvy ary i Jesoa, hanohy ny asan’Andriamanitra Ray. Ary ny tena hamafisiny indrindra dia aoka isika hahay handray izay irahiny : "izay mandray izay irahiko dia mandray ahy" satria na izy na ireo izay manohy asany dia samy tsy miteny ho azy fa mampita ny hafatr’Andriamanitra daholo. Ny vita batemy rahetra dia antsoina hanohy ny asa fanitarana ny fanjak’Andriamanitra, voairaka isika tsy hitory ny tenintsika, fa ho zary fitaovana ihany, hampita ny hafatr’Andriamanitra na aiza na aiza toerana misy antsika, tahaka ny nataon’i Kristy, izay fakan-tahaka ho antsika. Jesoa Tompo ô, omeo anay ny fahasoavana sy hery rehetra ilainay mba hahafahanay mampita ny hafatr’Andriamanitra Ray.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...