Talata 27 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30

"Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay ? Raha ianao no Kristy mba lazao tsotra aminay." Nametraka ity fanontanina ity tamin’i Jesoa ireto Jody satria mbola misalasala tanteraka fa i Jesoa marina tokoa ve no Kristy tonga hamonjy ny vahoaka Israely.

Maro tamin’izy ireo no nametra-panontanina ny momba an’i Jesoa, nefa hitan’izy ireo ny fahaganana nataony, ren’izy ireo fampianarana nataony Kristy. Nefa mbola tsy mahay mino, ary mametra-panotanina hoe ianao tokoa ve no Kristy ? Te hahazo valim-panontanina mifanaraka amin’izay tiany ireto Jody ireto ka novalian’i Jesoa hoe : "Efa nilaza taminareo aho fa tsy nino ianareo."

Mazava amintsika ny tanjon’i Jesoa esto ; Izy dia tsy manery na iza na iza, na oviana na oviana hino azy. Ary manaja tanteraka ny fahafahana misy ao amintsika tsirairay. Fitiavana Andriamanitra, Fitiavana i Jesoa, izy sy ny Ray dia iray ihany hoy izy, ka ny faniriany dia ny hinoan’ny olombelona am-pitiavana azy fa tsy an-tery. Olombelona miaina ao anatin’ny fahafahana tanteraka ka mitia azy am-pitiavana no andrasan’i Jesoa amintsika. Manaja ny fahafahantsika Andriamanitra, ka miandry antsika raha hisafidy ny ho an’isany ondriny isika na handà.

Ary efa nambaran’i Jesoa mazava teo fa ny ondriny dia mihaino ny teniny, mahafantatra azy ary manaraka azy ; ary izy no hanome fiainana mandrakizay ho azy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanany. Meteza àry isika, ho isan’ny ondrin’i Jesoa, ho ondry matoky azy, mihaino ny feony sy manaraka azy am-pitiavana ary hahay hanokatra masontsika mandrakariva amin’ireo zava-mahagaga ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isan’andro. Satria idraidray koa isika mbola tratran’ny fisalasana na tsy finoana ny tenin’i Jesoa sy ny asany eo aminy fiainatsika, tahaka ireto Jody ireto. Tsarovy anefa fa izay mandray ny teniny amim-pinoana ho fahamarinana ary mitandrina izany eo aminy fiainana no mahazo ny tena fiainana.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...