Sabotsy 24 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 60-69

Asehon’ny Evanjely androany ireo toetra nasehon’ireo mpianatr’i Kristy sy ny apostoliny manoloana ny fampianarany mahakasika ny Mofo ny fiainana. Tsara marihina fa mitaky zava-dehibe ny finoana an’i Jesoa Kristy ary mitaky ihany koa ny firotsahana matotra ny fanarahan-dia Azy sy ny fanekena ireo tolo-kevitra arosony hiainantsika. Ndeha àry hodinihintsika ireo toe-po sy toe-tsaina nananan’ireto mpianatra sy ireo apostoly :

Nahatsapa ho tafintohina ireo mpianatra satria mafy ho azy ireo ny tenin’i Jesoa, milaza ho tsy maintsy hohanina raha te-hahazo ny fiainana mandrakizay. Noho izany nanapa-kevitra ny tsy hanohy ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy izy ireo. Izy ireo no kristianina teo aloha fa voatery nijanona satria mafy loatra ny fepetra takian’ny Evanjely ; tsy vonona velively ny hihaino sy hanadray ny Evanjely ny ireo fepetra takiany.

Toetra faharoa kosa dia ny nasehon’i Jodasy Iskariota, iray amin’ireo apostoly roa ambin’ny folo lahy, izay nijanona tao anatin’ny tariky ny apostoly ihany na dia tsy nanaiky ny fampianaran’i Jesoa Kristy aza izy, ary tamin’ny farany moa dia izy mihitsy no namadika ny Mpampianatra azy : Izay miara-mihinana mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy (Sal 41, 10 ; Jo 13, 18).

Ny toetra nanan’i Piera apostoly kosa ny fahatelo. Naneho toetra tsara tokony hananan’ny kristianina i Piera tamin’izy naneho ny faniriany hijanona hiaraka amin’i Kristy : Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay (Jo 6, 68). Nasehon’i Piera miharihary ny fanekeny sy ny finoany an’i Jesoa ilay Mesia, na dia betsaka ny zavatra tsy azony akory.

Mila ny fahazavan’ny Fanahy Masina ihany koa isika, tahaka ireo apostoly mba hahazoana ireo Teny nolazain’i Jesoa Kristy, ilay Mofon’ny fiainana.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...