Alakamisy 22 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-51
Ambaran’ny Evanjely anio ny habadoan’ireo mpitondra vahoakan’i Israely manoloana ny misterin’ny maha avy amin’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy : Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra (Jo 6, 41). Sarotra tamini’reto mpitondra ny vahoaka jody ny nahatakatra an’izany satria diso fantatr’izy ireo ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany. Fa ny antony lehibe tsy nahalalany an’i Jesoa Kristy dia noho ny tsy fisokafany amin’Andriamanitra ka izany no tsy nahafahany hanaiky an’i Kristy sy ny tolotra nataony. Tsy nahatsapa ho voasarik’i Kristy izy ireo ; tsy nahalala fa avy amin’Andriamanitra io Jesoa Kristy mampianatra azy io, satria tsy te-hisokatra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Aoka hisokatra amin’Andriamanitra hatrany ny fo amam-panahintsika sy ny sofintsika fa izany no hahalalantsika bebe kokoa ny misterin’i Kristy sy hahafahantsika bebe kokoa miombona aina aminy hatrany hatrany.
Mbola manasa an’iretsy mpitondra ny vahoaka Israely i Jesoa Kristy, na dia eo aza ny fahabadoan’izy ireo. Asainy izy ireo mba hanao dingana amin’ny fahalalana an’ilay hevitry ny Paka. Raha toa ka fahatsiarovana ny nihinanana an’ilay sakafo tany an’efitra ny Paka fahiny ; ankehitriny kosa i Jesoa Kristy mihitsy no sakafo manome an’ilay fiainana mandrakizay. Mahakasika antsika ihany koa izany fanasan’i Jesoa Kristy izany mba hahaizantsika manomana mandrakariva amin’ny fandraisana ny Eokaristia Masina sy ny fahatsapan-tena eo am-pihinana azy.