Zoma 19 marsa 2021 — Masindahy Josefa, vadin'i Maria Virjiny — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 16. 18-21. 24

Mankalaza an’i Masindahy Josefa ny Eglizy anio ary izay ihany koa no voalazan’ny Evanjely eto. Tsara ny manamarika fa ity taona 2021 ity dia natokan’ny Papa Fransoa ho taonan’i Masindahy Josefa.

Nomen’Andriamanitra andraikitra lehibe tokoa i Josefa satria tsy mora izany hoe ho tonga ray mpiahy an’ilay Fianakaviana Masina sy mitaiza an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra. Fantatr’i Josefa tsara fa tsy zanany ny ao an-kibon’i Maria fa noho ny fitiavany azy sy ny fanekeny ny sitrapon’Andriamanitra dia nampakariny ho vady izy ary vonona izy ny handray ny zaza. Hita àry araka izany fa tsy mora tokoa ny manaraka ny sitrapon’Andrimanitra fa mila manana finoana sy fanetren-tena.

Teo anatrehan’ny fahatokisana izay nomen’Andriamanitra azy, dia niasa am-pahanginana izy tamin’ny antso izay niantefa taminy. Tsy ilaina araka izany ny fieboeboana sy ny avonavona amin’ny hafa eo am-pamaliana ny antso izay miantefa amintsika, indrindra moa rehefa tojo fahombiazana.

Mampianatra antsika àry i Masindahy Josefa tamin’ny finoana niainany hoe ahoana ny fomba fiarahana amin’Andriamanitra sy ny fanatanterahana ny sitrapony. Ny andraikitra amin’ny maha raim-pianakaviana azy dia nataony am-pitiavana sy an-kafaliana, eny na dia teo ary ireo fahasahiranana izay nolalovana. Aoka àry isika mba tsy hivadika amin’Izy Andriamanitra amin’ny iraka izay ampanaovina antsika.

Masindahy Josefa, mivavaha ho anay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...