Talata 9 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21-35

Ny Evanjely nohenointsika teo dia mampiantra antsika fa ny famindram-po dia tsy misy fetra. Mora fo sady mpamindra fo Andriamanitra. Ho an’izay mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra dia mahazo ny lazain’i Jesoa fa tsy misy lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana raha tsy amin’ny fanahafana azy : "aoka ho mpamindra fo tahaka ny rainareo mpamindra fo ianareo". Ny hatsarapon’Andriamanitra Ray dia tsy voafetran’ny hadisoana vitantsika, fa ny fanahy torotoro sy ny fanahy manetry tena no sitrak’Andriamanitra sy andrasany amintsika. Koa hampianarin’i Jesoa antsika androany fa tokony hamela heloka mandrakariva isika. Hoy Piera : "Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho ? Hatramin’ny impito va ? Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito".

Ny fampianarana nampitain’ireto antsoina hoe Rabòny na Rabia, tamin’ny andron’i Jesoa, dia voafetra famindra-po, tokony hamindra fo hatramin’ny fanintelony ihany. Fa ny fampianarana vaovao nentin’i Jesoa ho antsika kosa dia tsy misy fetra famindram-po. Tsy impito fa impitopolo fito, hoy i Jesoa. Tsy azo isaina ny famelan-keloka ho an’i Jesoa.

Ny famindrapo, ny famelan-keloka dia fahasoavan’Andriamanitra, ka tsy misy tambiny, tsy misy fepetra fa maimaim-poana, ka natao ho an’izay miaiky heloka sy izay mitaraina aminy. Ny toetran’Andriamanitra dia tahaka ilay mpanjaka nanana trosa tamin’ny mpanompony, izay ohatra nomen’i Jesoa antsika tao amin’ny Evanjely teo, fa noho izy nitaraina dia navelan’ny Mpanjaka handeha izy sady nafoiny ny trosany rehetra, namindrany fo ity mpanompo ity. Koa hasain’i Jesoa àry isika, hiaina sy hampihatra izany famindrapon’Andriamanitra izany.

Mangataha àry, ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izao karemy izao, mba hahay mamela ny hafa amin’ny fo feno fitiavana tokoa isika, satria hoy i Jesoa "Raha tsy samy mamela ny rahalahinareo ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa".

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...