Alatsinainy 8 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosortana'i Masindahy Lioka 4, 24-30

"Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy", izay no valin-tenin’i Jesoa tamin’ireto mpiara-monina taminy, izay nihevitra Azy tsy ho zanak’Andriamanitra ka tsy niraharaha ny fampianarana nataony. Fijery ivelany, endrika ivelany no nitsarana an’i Jesoa. Mino isika fa i Jesoa dia tena olombelona marina tokoa, niaina toy ny olombelona rehetra, zanaky ny mpandrafitra, fa izany kosa anefa tsy afa-misaraka amin’ny maha Andriamanitra Azy. Saingy ireto mpiara-miaina taminy dia nihevitra fotsiny ny maha olombelona Azy, ka nahatonga azy ireo tsy hihaino ny fampianarana nentiny. Tsy nahasakana ny asa nanirahany Rainy azy anefa izany.

Izao fotoanan’ny karemy izao no fotoana handrefesantsika ihany koa ny halalin’ny fahafantarantsika an’i Kristy, ny halalin’ny finoantsika Azy. Rehefa lalina tahaka ny finoan’i Namàna Sirianina ny finoantsika dia hahita fahasoavana aminy isika. Ny finoan’i Namàna no nahasitrana azy taminy habokany. Koa aoka àry isika, handray an’i Kristy amin’ny tena maha olombelona sy tena maha Andriamanitra Azy tokoa. Ny fahaizana mandray ireo maha izy azy an’i Kristy ireo no hanampy antsika hahatsapa fa i Kristy koa dia niaina toa antsika, niady tamin’ny fakam-panahy ary nandresy noho ny fifandraisany am-po mandrakariva tamin’Andriamanitra Rainy, tamin’ny alalan’ny vavaka.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...