Alatsinainy 1 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38

Mandritra izao Karemy izao ihany koa no hanasan’Andriamanitra antsika rehetra hanao zavatra iray izay heverintsika fa tsy mety ho vitantsika velively eo amin’ny fiainana dia ny mitia ny fahavalo. Ny tena mahasarotra ny fanatanterahana azy ity dia tsy hoe olona lavitra akory no hiantefany fa olona eo akaikintsika ireo mpanenjika antsika ireo : mpifanolo-boridrina, mpiara-miasa, havana ary mety ho vady andefimandry ihany koa aza.

Antony tokana no anasan’i Jesoa Kristy antsika hamindra fo : io no làlana azo antoka hanahafantsika an’izao Andriamanitra Mpamindra fo ivavahantsika izao. Fa ny fomba hanatanterahana an’izany kosa anefa dia ireo manaraka ireto avokoa, izay tena mila fihetsika azo tsapain-tànana mihitsy toy ny fahavononana ny handray azy ireo sy ny hamela ny hadisoany ; fandraisana azy ireo hiditra ao anatin’ny fiainantsika ; ny tsy mitsara azy ireo ; ny tsy manameloka azy ireo. Midika izany fa mila manome azy ireo fahafahana hiova amin’ny toetra ratsiny isika ; toy ny manantena fa tsy maintsy hibebaka izy ireo indray andro any.

Mampiavaka antsika kristianina amin’ny hafa io fihetsika io satria izany no hahafantarana fa zanak’ilay Andriamanitra Mpamindra fo isika. Na dia sarotra tokoa ny fanatanterahana izany, andeha isika hanao tsikelikely ny dingana mankany amin’izany famindram-po izany. Andeha hangatahantsika aminy ny fahasoavany sy ny fitsimbinany mba tsy hampiverin-dàlana antsika. Andeha ho vakintsika ireo tantaran’ireo olomasina efa nandalo amin’izany toe-javatra izany ka naneho famindram-po sy famelan-keloka taorian’ny namonoan’ireo mpanenjika azy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...