Sabotsy 6 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34

Ry kristianina havana, nanao tatitry ny diany ny Apôstôly. Teo amin'i Jesoa izy ireo no niala, nandeha tamin'izay nanirahana azy, ary miverina eo amin'i Jesoa indray. Manao tatitra, mametraka aminy asa vita, ary manovo hery vao indray. Fa eo koa, ankilan'izany ny hoe mihalalina ny finoana, rehefa dinihina miaraka mandritra ireny fihaonana isan-karazany ireny. Tsy hoe finoako ity, dia aleo ho ahy sy Andriamanitra irery, fa mampandroso ny miara-midinika. Na dia ny fahazotoana mamonjy ny fihaonana alahady fotsiny aza, miampy ny fihaonana amin'ny sehatra hafa toy ny amin'ny fikambanana masina dia efa mampitombo ny finoana ireny.

Nasain'i Jesoa nitokana ny mpianany mba haka aina. Io no tsy ampy ny olona ankehitriny, fa manenjika ny rotorotom-piainana : mihazakazaka etsy, manenjika raharaha eroa. Vokany : vizana. Tonga ny karazan'aretina vokatry ny rarin-tsaina isan'andro. Marary sy farofy, kizitina sy mora tezitra ary masiaka. Na ny fotoana hivavahana aza toa tsy misy. Toroana hevitra isika rehetra, mba hamela fotoana fohy isan'andro, hanginana, handinihana ary hivavahana. Soa ho an'ny vatana ny miala sasatra, ary soa ho an'ny fanahy ny mivavaka.

Nangoraka ireto vahoaka nanaraka Azy i Jesoa, vahoaka noana sy mangetaheta, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry. Io fo mangoraka io, ilay fon'Andriamanitra tohina, mahita ny fahorian-janany. Ho fo miara-mitempo amin'i Jesoa Mpiandry ondry tsara anie isika. Tsy ho fo vato fa ho fo nofo, manam-pitiavana. Hanangona izay miahaka, hamahana izay noana sy mangetaheta, hitsabo ny marary, ary hitantana azy ho any amin'ilay tanim-bilona mandrakizay. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...