Alarobia 3 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6

Ry kristianina havana, sabata ny andro, indro i Jesoa omban'ny mpianany nankao amin'ny sigaoga, namaky ny tenin'Andriamanitra sy nampianatra ny fanjakan'ny lanitra. Gaga ny olona tamin'ny fampianarany, fa naneso azy koa avy eo satria, olom-pantany ara-nofo i Jesoa, mpandrafitra, mpiray tanana, zaza niara-nilalao tamin'ny sasany aza, fantatra rahateo ny havany rehetra. Tsy nino an'i Jesoa izy ireo satria tsy noheveriny mihitsy, sy tsy nampoiziny ho ny Mesia io. Sahirana isika matetika rehefa mijoro amin'ny marina sy ny finoana. Tebahan'ny olona sasany ho "miseho ho inona", "tsy apahafiriny", "fantatro tsara ny momba an'iny"... Na io mandeha mivavaka alahady io fotsiny aza dia efa ahazoana resaka. Efa tratran'izany talohantsika i Jesoa, ankino aminy izay manjo antsika, tohizo ny dia. Izay hahafapo an'Andriamanitra no tadiavina fa tsy izay hahafaly ny olombelona akory.

Tsy afaka nanao fahagagana tao amin'ny tananany akory, i Jesoa, noho ny tsy finoan'ny olona. Ny finoana manko no mahatanteraka ny fahagagana, ka rehefa tsy mino, tsy mahefa na inona na inona. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia hoe, tsy manery Andriamanitra na te hamojy aza ; tsy maintsy mangetaheta ny olona vao afaka manao zavatra Izy. Lasa nifindra tany amin'ny tanana hafa i Jesoa no nampianatra. Tsy nijanona Izy, na dia toa tsy nahomby tao an-tananany aza. Maro ny olona hafa niandry, tsy hifanerena ny finoana, fa ny mitory no anjarantsika. Ho mafy orina hatrany anie ny finoantsika, mba hahasarika izay mbola misalasala. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...