Zoma 29 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 26-34

Ny mpamafy ny voa na ny Fanjakan’ny Lanitra eto an-tany dia tsy iza fa i Jesoa. Matoa mamafy ny voa dia manantena fa haniry izy ary hitombo sy hisandrahaka ary hamokatra be. Toraka izany koa, fantatr’i Jesoa fa hahazo ny toerany sy hitombo eto an-tany ny fanjakan’ny Lanitra. Maniry sy mitombo ny voa afafy rehefa feno ny fepetra ahatanteran’izany : efa ao anatin’ny voa afafy ny ho fakany, ny ho tahony, ny ho raviny ary indrindra ny ho voa izay andrasana aminy sy ho jinjaina. Etsy andaniny, eo ny tany lonaka sy ny hamandoana ao aminy handray ny voa afafy, ny hafanan’ny masoandro sy ny tontolo hampavokatra ny voa izay afafy. Torak’izany koa ny momba ny Fanjakan’ny Lanitra. Efa ao aminy ilay Fitiavan’Andriamanitra tiany hiampita ao amin’ny fiainantsika, ilay fiadanana tiany omena antsika, ilay hasambarana hifampizarany amintsika. Azo antoka io fanajakan’Andriamanitra io satria maharitra mandrakizay ka mampahatoky antsika ny manana azy.

Ny ho sambatra no antony naharian’Andriamanitra antsika, ary izany indrindra no mampisy dikany ny fiainantsika ; tsy sanatria zava-boaary toa zava-poana isika ka ho levona sy tsy hisy intsony aorian’ity fiainana ity fa entin’i Jesoa hivondrona ho iray ao amin’ny Fanjakany ka hiombona hasambarana Aminy. Tsapantsika amin’ny fitomboan’ny Fiangonana ny fitomboan’ny Fanjakan’Andriamanitra : mitombo ao amin’ny tenany toa voa afafy : fakany, tahony, raviny ; fa mitombo koa toa ny voatsinapy ka tonga hazo lehibe azon’ny voromanidina anorenana ny akaniny. Tsampatsika izany amin’ny fijerentsika ny niandoahan’ny Fiangonana : roa ambin'ny folo no isan’ny mpianatr’i Jesoa tany am-piandohana ; ankehitriny, misy manerana an’izao tontolo izao ny kristianina manara-dia Azy. Koa tsy miantehitra amin’ny hazo boboka isika manankina ny fiainantsika amin’ny Fiangonana, ilay hazo midoroboka sy maro rantsana ialokalofantsika. Manana ny fahasoavana mampitombo ny hery ao aminy ny Fiangonana dia ilay hery avy amin’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona. Manana ny Fanahy Masina izay mamelona azy isan’andro izy, ka mahatonga azy ho fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao. Amen !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...