Zoma 22 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19

Toerana manana ny dikany manokana, raha ny tendrombohitra no tenenina, ao amin'ny Soratra Masina, satria toerana nandraisana ireo fanapahan-kevi-dehibe ; anisan'izany ohatra ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy folo, izay nampitondrainy an'i Moizy ; ny nivavahan'i Kristy manokana, mialoha ny ihatrehany ny asam-pamonjena nanirahana azy. Eto dia ny niantsoany izao roa ambin'ny folo lahy mba hiara-mitoetra aminy sy hirahiny hitory ny Vaovao Mahafaly, hanampy Azy amin'ny fanatanterahana ny fanitarana ny fanjakan'Andriamanitra. Toerana masina ny tendrombohitra, fihaonana amin'Andriamanitra Avo Indrindra, noho izany, ny antso niantefa tamin'ireto roa ambin'ny folo lahy ireto koa dia antso masina satria manakaiky an'Andriamanitra. Anisan'ny toetra manokana voafono ao anatin'izany antson'Andriamanitra izany mantsy ny fanakaikezana azy Andriamanitra, ny fiaraha-miaina aminy. Ka ireto roa ambin'ny folo lahy ireto, dia nantsoiny ihany koa mba hiara-miaina aminy. Eo ihany koa ny fahafahana sy ny fahalalahan'ny mpiantso, "niantso izay tiany, hankeo aminy Izy". Ny tendrombohitra ihany koa mantsy dia maneho izay fahafahana sy fahalalahan'Andriamanitra Avo Indrindra izay, ka izay manaraka Azy, dia omeny izany fahafahana izany ihany koa. Tsy voafatopatra na inona na inona intsony, ka afaka hanatanteraka ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, hatraiza hatraiza. Handroaka demony, hoy Izy, hanasitrana ny marary, indrindra ny aretim-panahy. Maneho ny fahefan'ny Fiangonana izany ankehitriny, fa efa nolovana tamin'ireo Apôstôly, izay rafira napetrak'i Kristy mba hampaharitra sy hanitarana ny fanjakany dieny eto an-tany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...