Talata 19 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28

Dia mbola mitohy ihany eto ny fifanoheran'i Kristy sy ny Farisianina. Ambaran'i Masindahy Marka ny mikasika ny fanajana ny sabata, somary mivelatra ny fomba fisainan'i Kristy fa tsy mikombona tahaka ny an'ny Farisianina. Ny maha olona ny azy no omeny lanja kokoa noho ny lalana, satria hoy Izy : "Ny sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona no ho an'ny sabata". Izany hoe, tsy natao ho andevozin'ny lalana ny olona, fa ny olona no mandika sy mandinika ary mandanjalanja izay tokony ho fampiharana izany lalana izany. Ary mbola nohamafisiny sy nampiany indray aza hoe : "Ny Zanak'Olona dia tompon'ny sabata". Toy ny fananana izany, ho an'i Kristy ny sabata, ka tsy natao hangeja fa tokony hitondra fahafahana aza. Ny fananana dia misy ny fotoana hilana azy sy hampiasana azy, ary misy koa ny fotoana hametrahana azy fa tsy horaharahina. Koa izay fahaiza-mandanjalanja ny zava-misy izay, mba hitsinjovana ny maha olona, no hafatra apetrak'i Kristy, ampitainy manoloana ny tsiketra ataon'ny Farisianina. Nandraisany ohatra tamin'ny nataon'i Davida, raha terin'ny hanohanana izy sy izay nanaka azy, niditra tao an-tranon'Andriamanitra. Isika koa dia ampianarin'i Kristy eto, ny amin'ny fanatanteraha izany lalana na fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina izany, mba hahay handanjalanja, hanadihady, fa tsy ho tery saina ka hifototra amin'ny hoe azo atao, na tsy azo atao fotsiny, fa mba hijery ny maha olona sy izay mahavelona azy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...