Alahady 17 janoary 2021 — Alahady faharoa mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 35-42

Ao anatin'ny herinandro faharoa amin'ny andavanandro tsotra amin'ny fiainan'ny Fiangonana isika izao, ka tao aorian'ny nanambaran'i Joany an'i Jesoa hoe "Zanak'Andriamanitra" sy "Mpanao batemy amin'ny Fanahy Masina", no miseho ity tantara ambaran'i Masindahy Joany evanjelista, amintsika ity. Mbola i Joany ihany no manoro amin'ireo mpianany, an'i Jesoa. Ka araka izay nanehoan'i Joany an'i Jesoa izay, no nahatapa-kevitra ireto mpianany, hanaraka an'i Jesoa. Raha dinihana dia endrika iantsoan'Andriamanitra azy roalahy ireto izany, eny fa na dia tamin'ny alalan'i Joany, izay mpanelanelana azy aza.

Miseho amin'ny fomba maro tokoa ny iantsoan'Andriamanitra antsika, tahaka ny niantsoany ireto mpianany ireto. Mahavariana sy manahirana ny saintsika olombelona izany matetika, nefa fomban'Andriamanitra ka tsy maintsy atrehina. Izany indrindra no aseho amin'ny foto-kevitra amintsika anio hoe : "Samy nantsoin'Andriamanitra tsirairay isika". Fiainan'Andriamanitra ny miara-miasa amintsika olombelona, ka tsy mitsahatra ny miantso antsika Izy. Ny hamonjy antsika no tarigetram-piainany, ary amin'ny alalantsika ihany no hanatanterahany izany. Isika no mila manapa-kevitra hamaly ny antsony, tahaka ireto mpianatra voalazan'i Masindahy Joany ireto. Mba hamaliana izay antson'Andriamanitra izay anefa, dia mila mifandray isika samy olombelona eo am-piatrehana izany. I Joany Batista no lakan-drano, nentin'Andriamanitra nampita ny antsony tamin'ireto mpianatra ireto, ary ny fifandraisan'izy ireo no nampitombo isa ny mpanara-dia an'i Kristy. Koa mba handrenesana ny antson'Andriamanitra àry, dia ilaina mihitsy ny hifandraisantsika samy isika, satria amin'ny alalantsika ihany no hibitsihan'Andriamanitra amintsika tsirairay avy. Izany no anton'ireo mpanabe, eo anatrehan'ireo mpiofana miomana hamaly izany antson'Andriamanitra izany. Koa hamafiso àry, ny fifandraisantsika samy isika, mba hifandraisantsika amin'Andriamanitra misimisy kokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...