Talata 07 janoary 2020 — Herinandro manaraka ny Epifania — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 34-44 — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa ary nanasaitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona.

0 : 00

Mbola mitohy ihany ny famantarana izay maneho ny maha-izy an'i Kristy. I Masindahy Marka no mitantara amintsika: antra sy mangoraka ny vahoaka Andriamanitra. Be fitiavana ka mamonjy sy manavotra amin'ny hanoanana any an'efitra. Fon'olombelona ny fon'i Kristy fa tsy fo vato akory. Eny fon'Andriamanitra mihitsy aza, misento amin'ny fahoriana mahazo ny hafa.

Nahita ireto vahoaka betsaka nanaraka azy Izy dia nangoraka satria "tahaka ny ondry tsy misy mpiandry" izy ireo hoy i Masindahy Marka. Nandidy ny mpianany i Jesoa mba hanome hanina ny vahoaka, satria ny tany efitra sady ny andro koa efa hariva. Midika izany fa tsy mamela ny vahoaka hiaina ao anatin'ny sarotra i Kristy. Izy no manao dingana voalohany mba hiadanan'ny olony, hamonjy ny vahoakany, ary nasehony tamin'ny fampitomboana ny mofo dimy sy hazandrano roa izany. Tsy "magie" na angano no asehon'i Kristy eto fa ny tena maha-izy azy mihitsy: antra sy mangoraka, mpamonjy sy mpanavotra, tsy mamela ny vahoakany hijaly sy ho tra-pahoriana.

Tsy ny ara-panahy ihany no hanehoan'i Kristy ny maha-izy azy fa hatramin'ny ara-batana ihany koa. Midika izany fa ny maha-olona manontolo mihitsy no vonjen'i Kristy, manam-pahefana ny amin'izany izy noho ny maha-iraka azy. Tsy ataony ambanin-javatra mihitsy ny famonjena antsika olombelona, koa meteza handray izany fitiavany lavorary izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...