Alatsinainy 4 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-17. 23-25

Averin’ny Evanjely anio eto ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe : "ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe". Tonga teto amintsika tokoa i Jesoa mba hanafaka antsika ao anatin’ny toe-pahotana sy manoro antsika ny lalana tokony hizorana. Eto àry dia mbola manome fotoana ho antsika Izy Andriamanitra mba hahafahantsika manamasina ny tenantsika sy miaraka Aminy ary manampy ny hafa.

Ny vanim-potoana ny Noely izay nankalazantsika teo àry dia nanala antsika ao anatin’ny alahelo ary nampiditra antsika amin’ny fiainam-baovao dia ny hafaliana izany. "Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra", izay midika hoe efa akaiky ny fanjakan’ny fitiavana sy ny fiadanana izay hahitantsika hafaliana. Nefa i Jesoa dia nanome fepetra ho antsika raha te hiaina an’izany, dia ny fibebahana. Mila manova ny fomba fiaina sy ny fomba fisainana isika mba ho feno fitiavana an’i Jesoa Kristy ao anatintsika ao.

Tanteraka eto anivontsika ny fanjakan’ny fitiavana sy ny fiadanana dia noho ny asa izay nataon’i Jesoa. Nitory ny tenin’Andriamanitra sy nanasitrana ny olona tao anatin’ny aretina Izy mba hihainan’izy ireo ny tena fahasambarana. Hitantsika amin’izany fa tsy niteny fotsiny Izy fa nanao izay nolazainy. Raha te hanohy ny asa izay nataon’iJesoa àry isika, dia manao toraka izany ihany koa. Tsy ampy mihitsy ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra fa mila oha-piainana mifanaraka an’izany izao andro diavintsika izao. Mila fibebahana araka izany ny lalam-pahamasinana, ary ny fiitoriana ny tenin’Andriamanitra dia mifanindran-dalàna amin’ny fanampiana ireo mijaly.

Misaotra Anao izahay Andriamanitra tamin’ny nanafahanao anay tamin’ny ratsy sy ny aretina rehetra mba ho sambatra miaraka Aminao. Amen

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...