Sabotsy 02 janoary 2021 — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany ; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 19-28

0 : 00

Ireto mpisorona sy levita, miandraikitra ny tempoly tao Jerosalema dia anisan’ireo miandry ny fahatongavan’ilay Mesia nampanantenaina. Rehefa naheno izay nataon’i Joany izy ireo dia nanontany azy raha toa ka izy no Kristy, ilay nandrasana. Fa anisan’ireo nanaitra sy nahatarika ny maro tokoa mantsy i Joany Batista na tamin’ny fomba fitafy na tamin’ny fitondran-tenany na tamin’ny teny nambarany, indrindra fa tamin’ny fanaovana batemy. Tsy izy anefa no Kristy fa nirahina hanambara Azy izy, hanoro Azy efa tonga eo anivon’ireo nanirahana Azy saingy tsy fantany, eny fa na dia ireo Jody, nampanantenain’Andriamanitra voalohany ny Mesia aza.

Fotoana iray manokana fananaraotra ho an’i Joany ny fahatongavan’ireto iraka nanontany azy ireto, hanambarany mazava fa iraka izy, mpialoha lalana an’i Kristy sy feo miantso ny olombelona rehetra hibebaka mba ho afaka handray ilay Andriamanitra tonga eto amin’izao tontolo izao, hisokafan’ny fontsika hiantranoan’Andriamanitra, hahalalantsika marina fa eo anivontsika i Kristy. Enga anie ny fiainantsika mba ho famantarana an’i Kristy, ilay efa tonga ary miara-monina eto amin’izao tontolo izao ! Hanoro sy hanampy ny hafa handray Azy eo amin’ny fiainany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...