Alarobia 16 desambra 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela : vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

0 : 00

Tsy manatsafa ohatra ny mpaka afo akory i Joany ilay nanao Batemy an’i Jesoa sy mpialoha làlana azy ; fa tena tsy nahafantatra mazava ny marina momba an’i Jesoa satria tsy nanatri-maso fa nahare ny lazany tamin’ny asa soa sy fanasitranana nataony. Vokany, mampaniraka mpianatra roa lahy i Joany mba hanadihady sy hamotopototra, satria te hahalala ny marina, ary dodona sasa-miandry. Misy hafa inona amin’ny fiainantsika andavanandro moa izany ry havana, tsy mino maty raha tsy avy mandevina ary ny hanogotsongoana ny maty hono tahotra ny handevim-belona.

Teo am-panatanterahana ny asan’Andriamanitra indrindra àry i Jesoa tamin’io fotoana io no nigadona ireo iraka roa lahy ka niloa-bolana hoe : "Nirahan’i Joany Batista hankaty aminao izahay hanontany raha Ianao no ilay ho avy, na mbola hafa no andrasantsika !" Tsy namaly mivantana akory i Jesoa ; izany hoe tsy nitsotra akory hoe "izaho tokoa no izy". Ireto iraka ireto indray aza no nomen’i Jesoa "devoir" mba hanao tati-bolana any amin’i Joany Batista hoe : "mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo..." Tsy mba toetran’i Jesoa velively moa ny matikambo sy be rehaka fa rehefa matoky azy dia anehoany mandrakariva ny fitiavany sy ny fahefany.

Ankoatra izay dia ny asa fanasitranana sy ny fandroahana ny fanahy ratsy no tena isehoan’ny fahefan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa sy tena maha Izy azy. Tsarovy fa raha tsy mino an’i Jesoa ho zanak’Andriamanitra tonga hanavotra antsika isika dia tsy ho afaka hanao na inona na inona ao amintsika izy . Izany asa fanasitranana sy fandroahana demony nataon’i Jesoa androany izany koa dia anambaràna fa ao Aminy mandrakariva no tanteraka sy lavorary izay nambaran’ny mpampinany momba ny Mesia : "malady ny marenina, mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, mitsangan-ko velona ny maty, torîna amin’ny mahantra ny Evanjely".

Jesoa ô ! anehoanao ny fitiavano izahay rehetra mino sy matoky anao. Koa mihanta Aminao izahay mba ampitomboy ny finoanay ahafahanay miandrandra ny famonjena avy aminao. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...