Alahady 13 desambra 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 6-8. 19-28 — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo : nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

0 : 00

Alahadin'ny hafaliana ity alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo ity, satria efa mihantomotra ilay fotoana lehibe hakalazana an'i Kristy, Ilay Teny tonga nofo. Ny foto-kevitra omen'ny Fiangonana hivelomantsika mandritra ny herinandro no efa manambara izany sahady : "Mifalia, fa efa akaiky ny Tompo". Hafaliana miharo fanantenana satria ilay vahiny andrasantsika dia vahiny efa ampoizina, ary efa nampiomanan'Andriamanitra antsika mialoha, tamin'ny alalan'i Joany. Raha tsorina dia nisafidy an'i Joany Andriamanitra, hialoha lalana an'i Jesoa. Ary nataon'Andriamanitra fitaovana i Joany, mba hanambara sy hampiomana antsika amin'ny fahatongavan'Ilay Mesia. Izany tokoa angamba ilay hoe hafatra tiana ho tonga any an-tanana ka ampitondraina ny mpantsaka. Raha atao indray mijery ny iraka nataon'i Joany Batista dia manambara ilay Fahazavana lehibe hanilo ny fo sy ny fanahintsika mianakavy. Tonga hanambara ny marina izy, fa tena ho avy tokoa ilay Fahazavana lehibe. Izy rahateo no nilaza fa tsy izy akory no tena fahazavana fa i Jesoa Mpamonjy.

Raha tarafintsika amin'ny fiainantsika andavanandro, i Joany Batista dia mpitsilo ny lalan-kombana, mpitari-dalana eo aloha. Vahoaka efa mangetaheta famonjena tokoa no manoloana an'i Joany Batista, ka ao anatin'ny fahatoniana no tsy maintsy ahatongavan'ny tena Fahazavana, dia i Jesoa, mba hanilo azy ireo izay miaina ao anatin'ny haizina. Miandry Anao ny tany, ry Jesoa, fa nampanantena anao ny Ray. Koa ataovy maika àry, ny dianao, hamonjy ny firenena izay miandry hovotsorana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...