Alatsinainy 07 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 17-26 — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay !

0 : 00

Ry Kristianina havana, nahariharin’ny Evanjely teo fa raha nampianatra i Jesoa dia nipetraka nanodidina Azy koa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany. Ireo olona ireo ihany avy eo no nisaintsaina anakam-po hoe : Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity ? Fanamarihana miainga avy amin’izany àry dia ny hoe : misy karazan’olona, mihaino ny fampianaran’i Jesoa na any am-piangonana na amin’ny onjam-peo sahala amin’izao dia miandry kendritohina fotsiny no ataony. Tsy mihaino fampianarana fa manara-maso : tandremantsika izay.

Nandritra izany fotoana izany àry, voalaza fa nisy olona nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany. Voatery ireo nitady fomba hafa noho ny habetsahan’ny olona. Misy fampianarana lehibe azontsika tsoahina ao anatin’izany. Io fihetsika io no tokony ho toe-tsaintsika sy toe-pontsika : mitondra ireo reraka ara-panahy, ireo tsy manan-kery intsony, ireo diso fanantenana, ireo kivy eo amin’ny fiainana, ho eo anatrehan’Andriamanitra. Mety hisy sakatsakana izany toy ny vavan’ny olona, fa tsy maintsy mitady fomba, toy ny nataon’ireto olona nitondra marary ireto, any antafotrano no mandeha. Izany hoe, rehefa tianao ny tsy hahavery ny olona anakiray dia tokony ho hitanao foana ny fomba hamonjena azy. Eto àry, manoloana ny fihetsik’ireo olona ireo dia ambaran’i Jesoa ny hoe : mitsangana, ento ny fandrianao. Izany hoe, tsy nila ny hafa intsony fa tompon’andraikitra amin’ny tenany, afaka nitondra irery tsy nisy olona nanampy intsony ny fandriana nody satria tafahoana tamin’ny famindrampon’Andriamanitra. Ampirisihina isika mianakavy àry, hifanampy sy hitady fomba hihaonana amin’Andriamanitra ; fa ny vokatr’izany dia hafaliana, faherezana, ary fiainam-baovao sahala amin’ny hitantsika amin’ny famaranana ny Evanjely hoe mankalaza an’Andriamnitra izy rehetra. Lasa fiainam-baovao mihitsy izany.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...