Alakamisy 03 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany ; sambatra izay vonona hitsena Azy.

0 : 00

Raha faritana tsotra ny finoana dia hoe firaiketam-po amin'Andriamanitra, fanokanana ny tenana sy ny fiainana manontolo ho an'Andriamanitra. Tsy teny tsara lahatra, na asan'ny saina, fa toe-piainana. Teny sy finoana arahan'asa no ilaina, vavaka ampiharina eo amin'ny fiainana no famonjena. Izay mandray ny teny ka mitandrina azy, hoy i Jesoa, dia hendry. Izany hoe : sady mahay miaina ny ankehitriny, no manorina ny ho avy. Orana sy tafio-drivotra no ho fitsarana ny fanorenana sy ny fiorenana, izay mari-pototra dia tsy hihontsona.

Kianin'i Jesoa matetika ny toetran'ny Farisianina, izay mety hahavoa ny kristianina ihany koa, milaza fotsiny fa tsy manao : kobaka am-bava sy volana an-tenda, kabary ambony vavahady. Toy ny hoe, ny rindrina atao akora vato nefa ny fototra fasika ihany. Tsy hateza izany fanorenana izany, hirodana ka ho loza ny fihafarany ary fahaverezana. Teny zato, kabary arivo fa tokana ny marina dia izay arahina asa. Efa ampianarin'i Masindahy Paoly ao amin'ny 1 Kor. 4, 20 ny hoe :  "Ny Fanjakan'Andriamanitra, tsy teny foana fa asa atao". Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...