Zoma 03 janoary 2020 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34 — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra.

0 : 00

Ry kristianina Havana! Mifandrohy tsy afaka misaraka i Joany Batista sy i Jesoa noho ny maha mpirahalahy azy, maha fianakaviana iray azy. Raha tamy nanatona azy i Jesoa dia fantatany tsara. Miantso antsika sahady eto i Joany mpanoratra ny Evanjely mba hahay hijery tsara, tsy hijery amin’ny endrika ivelany fotsiny ary koa tsy hitsaratsara be fahatany fotsiny fa tena mahazatra antsika izany indraindray. Nandrasan’ny maro tamin’ireo Jody tokoa manko io fahatongavan’ny Mesia io ka dia liana izy ireo amin’izay zava-baovao miseho. Hany ka izay miavaka tsy toy ny mahazatra dia nahaliana azy fatratra ary mampametra-panontaniana azy hoe iza marina ity.

Nofaritan’i Joany mazava anefa hoe “indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao”. Hafa dia hafa mihitsy ho an’ny Jody ny mahare izany hoe zanak’ondry izany satria ny biby ho vonoina hatao sorona rehefa mankalaza paka no lazainy amin’izany hoe zanak’ondry izany. Araka ny lalàn’i Moizy dia io zanak’ondrin’ny paka io no fanadiovana ny fahotana. Fety lehibe loatra ho an’ny Jody izany paka izany noho izy fahatsiarovana lehibe ny nivoahana tao Ejipta ka hamonoan’izy ireo zanak’ondry be dia be atao sorona. Izany zanak’ondry izany anefa no nanoharan’i Joany an’i Jesoa teto noho izy voairaka hamonjy ny olombelona rehetra ary hitondra eo aminy ny fahotan’ny olona rehetra mba hanadio azy ireo. Tamin’ny alalan’ny fahalatsahan’ny ràny teo amin’ny hazofijaliana no nahatanterahan’izany. Izany no iraka miandry ity Mesia ankalazaintsika izao ity: ahoana no fomba ahafahantsika mifanampy aminy ahatanterahan’izany fanadiovany antsika amin’ny fahotana izany? Miady mandrakariva amin’ny ratsy isika, miady amin’ny fahotana koa mangataha amin’ity Zanak’ondry tompon’ny fanalana ny fahotana ity hanampy antsika isan’andro isan’ora ary isa-minitra mihitsy aza.

“Misy lehilahy avy ao aoriako” hoy i Joany dia manambara izao fotoan-dehibe ankalazaintsika izao satria ny fahaterahana ara-nofo dia i Joany no teraka taloha tany amin’ny 25 jona enim-bolana nialoha tany. Fa tohiziny kosa hoe “sy tonga eo alohako, satria talohako izy”: io ilay fiekem-pinoantsika ventesintsika matetika hoe “teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra…, ary izy no nahariana ny zavatra rehetra”. Manambara ny maha Andriamanitra marina an’i Jesoa izany fa na izany aza dia mazava io fiekem-pinoantsika io fa nateraka izy fa tsy natao dia io zaza hobintsika ankehitriny fa teraka ao anaty tranon’omby io. Manohy mandinika sy mibanjina mandrakariva ny misterin’ny fahatongavana ho nofo ny Eglizy ankehitriny indrindra rehefa manao rozery na sapile koa aoka isika havaozin’izany mistery izany isaky ny mivavaka manao rozery.

Manome porofo mazava i Joany maneho ny maha Andriamanitra marina an’ity Jesoa nanatona azy ity fa tsy tahaka ireo olona rehetra nanatona azy nataony batemy. “Hitako ny Fanahy Masina nidina teo amboniny” hoy i Joany ary namafisiny fa izy no Zanak’Andriamanitra. Olona toy ny olona rehetra i Jesoa raha ny fifaneraserany amin’ny olona amin’ny fiainana andavanandro eny no jerena saingy misy mistery lehibe miafina kosa ao aminy maneho ny maha Zanak’Andriamanitra azy. Io zany no tian’i Joany ambara amintsika amin’ilay hoe “eo afovoanareo misy olona anankiray izay tsy fantatrareo, izy hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”. Ny dikan’ny batemy moa dia manatsoboka ary izany no nataon’i Joany nanao batemy tamin’ny rano fa ity ambarany ity kosa dia amin’ny Fanahy Masina: meteza ary isika ho diovin’ny Fanahy Masina ary ho tarihiny amin’ny làla-marina sy mazava mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...