Talata 10 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 7-10 — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Anisan’ny anankiray ao anatin’ny famaritana ny Eglizy amin’ny katesizy ny fanompoana. Ny Eglizy dia fanompoana ary voaantso ho amin’izany fanompoana izany isika. Ny momba io fanompoana io mantsy no asongadin’i Jesoa amin’ny Evanjely naroso tamintsika teo. Ny batemy noraisintsika no maha iraka antsika ; iraka hanompo ao amin’ny Eglizy. Anisan’ny fepetra takiana amin’ny iraka izay fanompoana izay satria i Kristy nampianatra ireo mpianany, ary amintsika ihany koa, hoe izay te ho lehibe aminareo no ho mpanomponareo. Noho izany dia miezaka mandrakariva isika maneho izany fanompoana izany amin’ireo sehatra rehetra manandrify antsika ato amin’ny Eglizy : miseho amin’ny endriny samihafa tokoa manko izany araka ny fampianaran’i Masindahy Paoly amintsika hoe maro samihafa ny fanomezana : misy mpampianatra, misy mpitsabo, misy mpanao asa tanana... Dia izany talenta amam-pahaizana rehetra ananantsika izany, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra omena antsika, no entintsika manompo ao amin’ny Eglizy mba ho fanasoavana ny hafa ka hanehoantsika izay toetra maha mpanompo izay.

Etsy andanin’izay koa anefa dia ilaina ny fanetren-tena satria tsy misy fanompoana vanona rehefa tsy mahay manetry tena, ary izay no anisan’ny hasongadin’i Jesoa ao amin’ny Evanjely nohenointsika teo. Ny zava-misy any amin’ny fiainantsika any matetika dia io voalazan’i Jesoa io tokoa : ny lehibe dia lehibe hatrany ary tsy mety handefitra mihitsy. Ilay toetra manetry tena dia sarotra ny manatanteraka azy manoloana sokajin-tsaranga tsy mitovy eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy lavorary noho izany ilay fanompoana takiana amintsika. Aoka àry tsy hijanona ho hira fotsiny ilay fanaontsika matetika hoe “Mba sambatra e izay mitia manompo, tsy mitady ho tompoina”. Efa io ambaran’i Jesoa amin’ny faran’ny Evanjely io ny tokony ho tenenintsika rehefa vita izay asaina hataontsika hoe “mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay”. Rehefa izany dia mendrika antsika ihany koa ny valisoa ampanantenain’i Jesoa antsika amin’ny fanoharana nataony hoe : “Tsara izany ry mpanompo mahatoky… miaraha mifaly amin’ny tomponao”.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...