Alakamisy 02 janoary 2020 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 19-28 — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany, nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.

0 : 00

Ry kristianina Havana! Samy niandry ity Mesia nampanatenain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpaminany ary ampahatsiahivin’ny Soratra Masina ity avokoa ny olona rehetra. Ireto iraka nanadihady an’i Joany ireto dia olona manana andraikitra amin’ny fisoronana ao amin’ny tempoly. Azo lazaina fa mpisorona sy levita izy ireo ary niandry fatratra ny Mesia araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Nohevern’izy ireo fa ao an-tempoly no hiavian’izany ka gaga izy ireo amin’ny zavatra ataon’i Joany any Betania an-dafin’i Jordany: tsy vitan’ny nitory fibebahana fotsiny i Joany fa sady nanao batemy ihany koa dia batemim-pibebahana, ary maro ny olona no nankany nihaino azy sy nataony batemy satria nibebaka. Izany no nahatery azy ireo nandeha nankany an-tsaha hizaha ary hanadihady an’i Joany. Manoloana ny zava-mitranga maro, indrindra ireo manohintohina ny finoantsika, moa mba mametraka fanontaniana amin’izany ve isika manamarina ny zava-misy sa dia anisan’ireo mpanara-drenirano fotsiny sy anisan’ireo minomino foana indraindray? Indraindray manko ireny zava-mitranga ireny dia te hampita zavatra amintsika. Ilaina rahateo noho izany ny mandalina ny finoana mba tsy hinohino foana isika.

Evanjely efa naroso tany amin’ny "avent" moa ity Evanjely ity fa tian’i Joany ny mamerina azy amintsika eto manamafy ny fampahalalany ny momba ilay Teny tonga nofo ary fahazavana lehibe ho an’izao tontolo izao. Tsy Mesia aho, tsy Elia, tsy Mpaminany lehibe hoy i Joany Batista ary mbola namafisiny hoe tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory, izany hoe tsy mendrika ny ho mpanompony akory izy. Maneho fanetren-tena lehibe izy nefa dia milaza ny marina fa  anehoany kosa ny endrik’ilay Mesia ho avy. Matetika isika no tsy manana izay fanetren-tena izay fa te hizahozaho ary manararaotra ny “titre” kely mba hananana. Ary zara aza misy ireny sehatra sasantsasany ireny entina hanohoana izay fisiana izay. Angataho Andriamanitra amin’izao Noely izao hanampy antsika fa i Kristy dia Andriamanitra araka ny hamaritan’i Joany azy hoe “Andriamanitra ny teny” fa isika kosa dia olona manam-petra ihany. Masina i Kristy fa isika kosa dia mpanota mahantra ary malemy. Tompo i Kristy ary isika manao izay fomba rehetra hanaraha dia azy, ary eo ny Eglizy izay manana azy Kristy lohany ary manampy antsika hanaraka azy fa amin’ny lafiny iray dia tsy manavaka n’iza n’iza ny Eglizy.

Ambaran’i Joany Batista mazava eto ny maha izy an’i Jesoa: “Izy manao batemy amin’ny Fanahy Masina sy ny afo”. Ambaran’i Joany fa Izy no tokony atonina sy fantarina bebe kokoa fa tsy izy. Ny batemy ataony no tena batemy ary io mbola hifandovantsika mandrak’ankehitriny io. Mbola miantefa amintsika mandrak’ankehitriny mazana io tenin’i Joany Batista io hoe "eo afovoanareo misy anankiray izay tsy fantatrareo". Mangataha amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba ahalalantsika marina an’i Jesoa eo anivontsika sy miara-monina amintsika fa eo mandrakariva Izy fa indraindray toa lavitra, indraindray toa akaiky, indraindray tsy fantatra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...