Zoma 06 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

0 : 00

Fanoharana iray izay maneho ny fahatokisan’Andriamanitra antsika no ataon’i Jesoa eto amin’ity Evanjely ity. Fahatokisana izay nohararaotintsika olombelona anefa satria dia nivadika tamin’izany isika. Raha ny fijerin’olombelona no jerena, dia hita fa tranga hafahafa no miseho eto satria ilay mpitandrim-panana tsy marina indray no derain’ny tompony avy eo. Ny tiana asongadina eto dia tsy izy ilay nanao ny tsy marina fa ilay nampiseho hafetsena sy hakingan-tsaina mba hamerenana ilay fananan’ny tompony any amin’ny olon-kafa. Toy izany koa ny fijerin’Andriamanitra antsika, tsy isika ilay nivadi-pitokisana Aminy no hitivany antsika fa ilay mampiasa ny taletantsika sy ny saintsika amin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra.

Ny talenta sy ny saina dia tokony ampiasaina amin’ny zavtra tsara fa tsy sanatria akory amin’ny ratsy. Amin’izao fotoana diavintsika izao tokoa ary, dia mila mitory ny Tenin’Andriamanitra amin’ny endriny vaovao isika. Tsy ilay arak’izany ny mionona amin’ny fomba efa mahazatra. Ary mila fandinihina ara-tsaina tokoa izany na dia eo ary ireo fahalemena izay mpahazo antsika eo amin’ny fiainana. Tadidio ary fa omen’Andriamananitra fahatokisana isika satria efa noraisiny ho zanaka tamin’ny alalan’ny Batemy fa tsy mpanompo intsony. Nomeny saina sy talenta isika tsirairay avy mba hampitatra ny fanjakan’Andriamanitra dieny ety an-tany.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...