Alahady 01 nôvambra 2020 — Fankalazana ny Olomasina rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-12 — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo.

0 : 00

Amin’izao alahady 01 nôvambra izao dia mankalaza ny fetin’ireo olomasina rehetra ny Eglizy ary voarakitra mazava tsara ao anatin’ny fiekem-pinoana izany : "Izaho mino ny fiombonan’ny olomasina". Ny Evanjely mahakasika ny fahasambarana valo no omen’ny Eglizy ho antsika amin’izao Fetin’ireo olomasina izao. Ny teny hoe "sambatra" mantsy dia mitovy hevitra amin’ny atao hoe "masina" araka ny voalazan’ny papa Fraçois. Nahatsiaro tena ho sambatra tokoa izy ireo teo am-panompoana an’Andriamanitra sy ny fiainana ny Teniny ary ny fanoloran-tena izay nataony. Amin’izao fotoana izao, dia inoantsika fa tsy mitsahatra ny mivavaka ho antsika izy ireo mba hiombona miaraka amin’izy ireo rahatrizay. Fa isika kosa dia miezaka maka tahaka azy ireo amin’ireo hatsaram-panahy izay niainany. Tsy tokony adinointsika anefa fa ny modely amin’ny fahamasinana dia i Jesoa Kristy fa ireo olomasina kosa dia manampy antsika mba hiaina izany toy ny nataony.

Anisan’ny hanenjehana sy haneson’ny finoana hafa antsika katôlika ny mahakasika an’ireo olomasina ireo. Aoka ary ho tsapantsika fa anisan’ny fahasambarana izany ary efa nolazain’i Jesoa : "Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra". Afaka miaina ireo hasambarana valo voalazan’i Kristy ireo ihany koa isika. Fahasambarana izay manafaka antsika amin’ny fitiavan-tena sy ny avonavona.

Efa tany am-piadohana àry no tian’Andriamanitra ho sambatra isika olombelona ary izany no mbola nampahafantarany an’ireto lalam-pahasambarana ireto ho antsika mba "ho masina sy tsy hanan-tsiny eo imasony isika" araka ny voalazan’i Masindahy Paoly ho an’ireo kristianina tany Efezy. Ny fahotana àry araka izany no tsy maintsy hiadivana mandrakariva raha te ho sambatra tahaka ireo olomasina ireo isika. Izy ireo dia nanota toa antsika ihany fa mpanota vonona miarina mandrakariva amin’ny fahotana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...