Zoma 30 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-30 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1-6 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

0 : 00

Asain’i Masindahy Paoly Apôstôly isika mba hahay hisaotra an’Andriamanitra noho ny nanomezany antsika ireo olona tia antsika sy malala-tànana tokoa amintsika. Manana adidy isika ny hirary ny soa sy ny tsara ary fahasambarana ho azy ireny. Izany tokoa mantsy no nataon’i Masindahy Paoly Apôstôly an’ireo kristianina tany Filipy. Mirary azy ireo mba hitombo hatrany ao anatin’ny fitiavana izy ; iriny mba hiroso hatrany amin’ny fahamatoram-pahamasinana izy ireo.

Mampianatra antsika ihany koa i Jesoa Kristy ao amin’ny Evanjely anio, mba hikatsaka amin-kasahiana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny vinavinam-pamonjeny ho antsika. Amin’alalan’ny famonjena ireo sahirana manodidina antsika, eny fa na dia amin’ny andro sabata aza izany, no anatanterahantsika izany sitrapon’Andriamanitra izany.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...