Alahady 25 ôktôbra 2020 — Alahady faha-30 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40 — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.

0 : 00

Resaka fitiavana ny hafa sy fanajana azy no votoatin’ny Tenin’Andriamanitra anio. Tian’Andriamanitra raha asehontsika amin’ireo olon-kafa ivelan’ireo namantsika sy ny mpiray tanindrazana amintsika izany fitiavana sy fanajana izany. Ireo hafa lazaina etoana moa tsy iza fa ireo hafa foko sy firenena amintsika, ireo mahantra sy ampahoriana. Mila mitia sy manaja azy ireny isika, izany hoe, mila mirary sy mikatsaka ny soa ho azy ireo mialohan’ny hanampiantsika azy ireo araka izay vita, toy ny fanohanana azy ireo ara-tsakafo, indrindra amin’izao fotoana izao, fanolorana fitafiana ary indrindra ny fisiantsika eo akaikin’izy ireo…

Tsarovy anefa fa mifanindran-dàlana mandrakariva amin’ny fitiavana an’Andriamanitra io fitiavana ny hafa io : tsy afaka hitia azy ireo isika raha tsy tia an’Andriamananitra ihany koa. Zary poakaty sy voafetra ny fitiavantsika ny hafa raha toa ka tsy miainga avy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra izany satria amin’alalan’ny fitiavana an’Andriamanitra no ahafahantsika mitia araka ny tokony ho izy azy ireo. Izany hoe io fitiavana an’Andriamanitra io no mari-drefin’ny fitiavana ny hafa.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...