Talata 13 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 37-41 — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

0 : 00

Ialao ny fihatsaram-belatsihy fa mifanampia ara izay azo ato, izay tsoa-kevitra mafonja raiketin'ny Vaovao Mahafaly androany, ka tian'i Jesoa ampitaina amintsika. Misy tokoa mantsy ny madio ivelany toa fasana ny fiainan-dRaolombelona, ka tian'i Jesoa ahitsy izay. Ny mpanao izany no atao hoe Farisianina, tsara ivelany fa ratsy anatiny. Dia mihavaka eny foana ny olona mpanao izany, ka mahita ho lazaina foana. Tsy manana fahadiovam-po fa maramara saina. Manoloana izay toe-javatra izay, manome tolo-kevitra mahomby i Jesoa mba hanampiany antsika ka hoy Izy hoe : "Manaova fiantrana araka izay anananareo".

Fifanampiana tokoa ny fiainana, ary tsy misy mahavita tena izany. Asa raha tsaroantsika ny tenin'ny papa François, tamin'izy nandalo teto Madaasikara, herintaona mahety lasa izay : "Tsy misy afaka milaza hoe izaho tsy mila anao". Sambatra tokoa izay mifanampy sy mifanohana, fa endriky ny fitiavana ny fifanampiana. Amin'izay anefa dia fifanampiana tsy misy takalony no takian'Andriamanitra amintsika. Koa raha mahafoy na manampy ny hafa isika dia tsarovy fa anisan'i fitiavana an'Andriamanitra izany satria, io olona hafa manodidina anao io, io olona ampianao io no ilay endrik'Andriamanitra tsy hita maso. Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray, ary izay manome an-kafaliana no tena ankasitrahan'Andriamanitra. Izay manome sy mizaraza ny kely an-tanany ho an'ny hafa, mihary lovasoa izay tsy mety simba. Mba sambatra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...