Alarobia 02 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.

0 : 00

Rehefa avy nandroaka ny fanahy maloto tamin’ny lehilahy iray i Jesoa, dia nanasitrana ny rafozambavin’i Piera izay voan’ny tazo indray eto. Ary tamin’izay dia nivoaka tamin’ny olona maro ny fanahy ratsy ka niantso azy hoe : "Ianao no zanak’Andriamanitra". Ny fanasitranana sy ny fandroahana fanahy ratsy dia fanehoana fa i Jesoa dia mpandresy sy mpanafaka. Nahita an’izany asa fanirahana nataon’i Kristy izany ny vahoaka ka niangavy Azy mba hijanona eo anivon’izy ireo. Hitany tao aminy mantsy fa Izy no fototry ny fiainana ary tsy te hisaraka amin’i Jesoa izy ireo. Azo lazaina fa fitiavan-tena ihany ny an’ireto olona ireto satria tsy nahalala afa-tsy ny tombon-tsoany. Fa novalian’i Jesoa hoe : « tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho ». I Jesoa tokoa anie tsy natokana ho an’ny olom-bitsy e ! Fa ho an’ny olona rehetra mihitsy. Izy no fototry ny fiainana ho antsika rehetra. Isika rehetra no mahazo tombon-tsoa avy aminy, toy ny fanasitranana sy ny famelan-keloka izay omeny mba hahafahana manompo Azy indray toy ity rafozambavin’i Piera ity.

Noho izany, ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia tsy natokana ho antsika kristianina irery ihany, fa na dia ho an’ireo olona manenjika sy tena mbola tsy mahalala an’i Jesoa ary. Izany akory tsy midika hoe : terena ny olona ho tonga kristianina, fa aseho azy ireo ny Vaovao Mahafaly, dia i Jesoa izany sy ny hafatra nambarany ka anjaran’izy ireo no misafidy avy eo. Tahaka an’i Jesoa ary isika izao, dia tsy maintsy mitory ihany koa ny Vaovao Mahafaly ho an’ny olona rehetra.

Aoka àry tsy ho tazonintsika samirery ny finoana an’i Jesoa fa mba ho zaraintsika amin’ny hafa ihany koa. Miantefa amintsika mantsy ankehitriny ilay hafany tamin’ny mpianany manao hoe : "Ataovy mpianatro ny firenena rehetra".

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...