Alatsinainy 24 aogositra 2020 — Masindahy Bartélémy, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 45-51 — Raby ô, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely.

0 : 00

Md Bartélémy Apôstôly no ankalazaintsika amin’ity andro ity. Teny Arameana no niavian’ny hoe Bartélémy, midika hoe zanak’i Talmay. Fa nantsoina ihany koa izy hoe Nathanaël, izay azo adika hoe Nomenjanahary.

Fa ity Evanjely aroso antsika ity dia misintona antsika handinika lalina ny fifandraisantsika amin’i Jesoa. Ny fihetsik’i Natanaely tsy nihanona fotsiny tamin’ny fanambarana hoe : “Efa hitanay ilay namabaran’i Moizy sy ny Mpaminany”, fa niroso lalina hatramin’ny fahitana sy fiaraha-miaina tamin’i Jesoa. Tsy hoe tsy ilaina ny fijoroana vavolombelona ataon’ny hafa, na ny fitoriana ataony, tena manan-danja aza. Fa tena zava-dehibe mihoatra lavitra noho izany ny ezaka mba hanana fifandraisana am-po sady lalina miaraka amin’i Jesoa.

Faniriana te hahafantatra, sady manambara ny ao am-po tokoa ny hoe : “Moa mba misy zava-tsoa avy any Nazareta ?” ; fa ny fihaonany mivantana tamin’i Jesoa dia niteraka finoana lalina ho azy ka nanambarany hoe : “Raby ô, Ianao no zanak’Andriamanitra”. Ary niteraka hafaliana sy hasambarana. Ny filazan’i Jesoa azy ho Israelita tsy misy fitaka dia manamafy ny lazain’ny Salamo hoe : “Sambatra ny olona… izay tsy misy fitaka ny fanahiny”. (Salamo 32, 2).

Aza atao ambanin-javatra ny fifandraisana amin’i Jesoa. Aza mihanona amin’ny teny lazain’olona fotsiny fa katsaho sy irio mafy ny hanana fiombonam-piainana aminy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...