Sabotsy 18 jolay 2020 — Herinandro faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 14-21 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.

0 : 00

Tsapantsika avy amin'ity Vaovao Mahafaly ity fa difotra ao anaty fanarahana ambokony ny lalana fotsiny ireto Farisianina ireto ka tsy mahalala izay soatoavina maha olona ny olona. Ny hiampanga an'i Kristy no mahamaika azy ireo. I Kristy no mampahatsiahy azy ireo fa ny olona no ambony noho ny biby ka mety ny manasitrana ity lehilahy maty tanana an'ila ity, ary azo atao tsara ny manao soa na dia sabata aza ny andro. Tsy nahasakana ny fanatanterahan'i Kristy ny asa fanasitranana natrehany ny fiokoan'ireto tsy maty voalavo an-kibo, saingy tamim-pahanginana no nanatontosany izany, izay ilay fianakaviam-ben'ny lalam-pahanginan'ny mpamonjy : "Loi du Silence messianique".

Angatahan'i Kristy mba hanao izay tsy ahafantarana Azy ireo nositraniny ary hitazona ny zava-miafin'ny maha Izy Azy, dia izay ilay "fanetren-tenan'ny mpanompo". I Kristy tokoa ilay Mpanompon'Andriamanitra nanao izay tratry ny ainy amin'ny fanasoavana sy famonjena ny olombelona, tsy mba mieboebo Izy na mila tambiny. Aiza ho aiza amin'izany isika izay mitondra ny anarany hoe "kristianina", nateraka tamin'ny batemy mba ho mpanompo toa Azy. Enga anie isika tsy hisatry fanahy hanatanteraka ny manandrify antsika, ary tsy hatahotra izay mety ho fanenjehana manoloana ny antso miantefa amintsika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...