Zoma 17 jolay 2020 — Herinandro faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 1-8 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.

0 : 00

Miainga amin'ny zava-misy azo tsapain-tanana eny amin'ny fiainana andavanandro no ampitan'i Kristy ny fampianarany. Tsy hoe manaraka ara-bakiteny izay volazan'i Moizy araka voasoratra ao amin'ny boky Deoterônômy 23, 25 Izy manao hoe : "Raha mamaky ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary amin'ny tananao..." na koa mampianatra handika ny lalana eo anivon'ny fiaraha-monina, fa mampianatra kosa ireto Farisianina mba hahay hijery ny zava-misy sy hahay hanadihady fa tsy hampihatra be fahatany ny lalana fotsiny.

Olona noana izao ve ho azo jerem-potsiny, ary ny aina no ambony noho ny lalana, ny lalana dia natao hitsinjovana ny aina : "Izay ilay zo maha olona !". Tsy natahotra i Kristy niaro ireto mpianany ; mba tsy hanarahana ara-bakiteny fotsiny ny lalana, dia noraisiny tamim-pahendrena sy fahalalana ny fandikana ny zava-misy voalaza ka foto-kevi-dehibe telo miainga ao amin'izay ambaran'ny lalana ihany no nentiny nanazava ny sain'ireto Farisianina ireto : "Moa tsy novakianareo va izay nataon'i Davida"... "Sa tsy novkianareo ao amin'ny lalana va..." "Ny Zanak'olona no tompon'ny sabata...". Andriamanitra tokoa no tompon'ny zavatra rehetra ary tiany hoporofoina eo imason'ny Farisianina izany, isika kosa dia fitaovana ihany. Izy no tompon'ny fahefana fa isika dia mpanatanteraka, noho izany tsy isika mihitsy no handidy alohan'Andriamanitra, tahaka ny manotrika akondro, fa fantany izay mahasoa antsika.

Tsy nanameloka ny mpianany Izy raha nihoty salohim-bary tamin'ny andro sabata aza ireto farany. Ny hamelona antsika no antom-pisiany fa tsy sanatria hamono, isika no mamono tena indraindray ka mitsambiki-mikimpy manao tsinontsinona ny fisiany. Tsy misy lanjany izay fanarahan-dalana raha tsy atao amim-pitiavana : "Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona" koa diniho sy lanjalanjao tsara àry izay atao mba tsy ho mpanohitra be fahatany ny sitrapon'Andriamanitra isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...