Alarobia 01 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 28-34 — Andriamanitra nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

0 : 00

Rehefa avy nandresy ny tafio-drivotra sy ny ranomasina tamin’ny fampitoniana azy ireo i Jesoa, dia tojo lehilahy roa indray izay azonʼny demony sady tena masiaka. Noho izany tsy nisy olona sahy nanatona azy ireo. Fa i Jesoa kosa rehefa teo anoloanʼireto roa lahy izay azonʼny demony, dia nanaiky ireto farany fa Izy no ZanakʼAndriamanitra. Fantatrʼizy ireo avy hatrany àry fa tsy avelanʼi Jesoa hipetraka ela ao anatinʼireto olona ireto izy ireo ka niangavy Azy mba ho alefany any amin’ny kisoa, izay biby maloto ho anʼny Jody. Tsara ny manamarika fa na ireo kisoa àry dia tsy nanaiky ny hitoeranʼny demony fa naleonʼizy ireo nirifatra nivarina any anaty ranomasina ka maty tao.

Ny fandresenʼi Jesoa ny fanahy ratsy eto dia efa tandindona sahady ny fandreseny ny fahafatesana. Noho izany, tsy tokony hatahotra isika kristianina satria manana anʼilay Mpandresy anʼizao tontolo izao miaraka amin’ny Heriny. Tianʼi Jesoa àry, isika arakʼizany, mba handresy miaraka Aminy tahaka ireto lehilahy roa ireto izay nafahany tamin’ny fanangezanʼny fanahy maloto ka nampiverina indray ny fahafahanʼizy ireo sy ny fahamendrehany.

Izy Jesoa tokoa àry no ZanakʼAndriamanitra, eny na dia ny fanahy maloto aza dia manaiky izany. Tsisy izay tsy vitany, satria Izy no Tomponʼny fiainana. Zavatra tokana ary no hangatahiny amintsika : dia ny mandray Azy ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika mba hanafaka antsika amin’ireo sakana amin’ny fahamendrehana maha olona sy maha ZanakʼAndriamanitra. Aoka ary isika mba ho mpandresy miaraka amin’ilay ZanakʼAndriamanitra : handresy ny ratsy amin’ny tsara, handresy ny haizina amin’ny hazavana, handresy ny fankahalana amin’ny fitiavana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...