Zoma 26 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 1-4 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

0 : 00

Toy ny efa nambara antsika omaly, ny fampianarana sy ny asa dia zavatra roa tsy misaraka ho an’i Kristy. Iraka nosahaniny nankinin’Ray Azy mantsy ny fampianarana sy ny fizarana amintsika olombelona ny fomba maha Andriamanitra an’Andriamanitra sy ny famonjena.

Avy nampianatra tany an-tendrombohitra i Jesoa no nanasitrana ity boka anankiray nanatona sy nitsaoka ary nangataka taminy mba ho sitraniny. Fahagagana voalohany nataon’i Jesoa io, araka an'i Masindahy Matio, maneho amintsika fa ao Aminy no miharihary sy tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ary amin’ny Alalany no hazoana ny atao hoe : famonjena. Very sy lavitra an’Andriamanitra mantsy isika olombelona noho ny haratsiana sy ny fahotana, rava fihavanana sy fifandraisana ihany koa amin’ireo manodidina antsika, izany no endriky ny habokana manjo antsika ankehitriny, ka nanirahan’ny Ray ny Zanany mba hamerina antsika indray ao Aminy sy hijoroantsika sy hiainantsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika.

Tsy tamin’ny filana dera anefa no nanatanterahan’i Kristy ny fahefana nomena Azy, antony nilazany tamin’ilay sitrana hoe : “aza miteny na amin’iza na amin’iza”, fa tamim-panetren-tena lehibe, mba ho fianarana ho antsika ihany koa rahefa manao soa isika. Fa ny fomban’Andriamanitra ao aminy no zarainy amintsika mba hiainantsika izany amin’ny andavanandrom-piainana.

Matokia manatona Azy isika fa Izy irery ihany no afaka hamerina antsika indray ao amin’Andriamanitra sy hanavao ny fiainantsika manontolo, ary meteza haka tahaka Azy koa mba mba hiseho ny maha zanak’Andriamanitra antsika.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...