Alakamisy 25 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29 — Ny Tenin'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay ; ary izany no tenin'ny Evanjely izay notorîna taminareo.

0 : 00

Sady mampandinika no mampianatra antsika raha toa ka mpianatry i Kristy marina isika, ity Evanjely nambara teo ity. Tsy be vava na entin-kafanampo fotsiny fa mahay maka tahaka hatrany an’i Kristy : naneho ny fitiavan’Andriamanitra.

Tao amin’i Kristy harahintsika no tontosa sy lavorary ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona. Izy no nanatanteraka ny sitrampon’ny Ray ary nampita sy nampianatra izany tamintsika hahatonga antsika indrindra koa ho mpanompo mahatoky toa Azy. Ny maha kristianina mantsy na ny hoe ny mikatsaka ny fanjakan’ny lanitra, dia tsy ara-nofo fotsiny, tsy fitiavana amin’ny maha olombelona fotsiny ka manome sy manolotra mba ho hitan’ny rehetra fa fitiavana misy finoana, fitiavana baikon’ny finoana, mba ho araka an’Andriamanitra ny soa atao. Azo atao mantsy ny mitonona ho kristianina amin’ny fihetsika atao kanefa ny fo lavitra an’Andriamanitra, azo atao ny misora-tena toa voatango kanefa tsy mba manana fiainana anaty. I Kristy no mampianatra antsika tsy hanasaraka na oviana na oviana ny finoana, izay fankatoavana sy fitokisana ny Tenin’Andriamanitra sy ny asa fitiava-namana, fa izany no lalana tokana ahazoantsika ny fanjakan’ny lanitra ary hanorenana ihany koa ny fiainana manontolo ao amin’Andriamanitra.

Enga anie isika mba tsy ho kristianina am-bava na amin’ny asa atao fotsiny fa mba ho tena mpankato sy mpanatanteraka ny Tenin’Andriamanitra, ka tsy hikatsaka ny soa mandalo eto an-tany fa hibanjina kosa ny fiainana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...