Talata 23 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.

0 : 00

Mifototra indrindra amin’ny fanajana sy fitandremana amin’ny zava-masina ny fampianaran'i Kristy eto. Izay heverintsika ho manan-daja sy sarobidy aza omentsika haja, anehoana fitandremana fatratra nefa ireny mbola ho simba sy ho levona, mainka fa izay nomen’Andriamanitra sy izay nozarainy tamintsika tamin’ny alalan’ny Zanany, izay ambony lavitra satria ny ainy sy maha Izy Azy no nampitany tamintsika ka nahatonga antsika ho zanany, ho kristianina.

Io ny fampianarana omen’i Kristy antsika anio : tsy hanao ankila-bao na hanary foana izay nozarainy tamintsika, dia ireo fahasoavana nahatonga antsika ho kristianina. Tsy zavatra very maina ireny fa iandrasana vokatra amintsika mandrakariva dia ny hankatoavantsika sy iainantsika azy ao amin’ny tenantsika sy ny manodidina. Didy maneho ny sitrapon’Andriamanitra ity ampianarin’i Kristy antsika ity : "Izay rehetra tianareo ataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa torak’izany" ; didy nomena ireo mino sy vonona ny hiaina azy eo amin’ny tenany sy ny manodidina azy. Sarobidy sy masina satria avy amin’Andriamanitra ; ka tsy tokony ho raisina fotsiny fa iainana satria maneho toe-piainana ankasitrahan’Andriamanitra ary mandrindra ny fifandraisana amin’ireo manodidina sady fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny alalan’ny toetra maneho ny maha izy antsika eo anatrehan’ny hafa.

Izao andro diavintsika izao indrindra no tokony hahasaro-piaro ny maha-kristianina antsika, tsy handisoana izany eo imason’ny hafa na hanome ohatra ratsy fa hankatoa sy iaina tsara ny Evanjely, hizotra mankany amin’ny fiainana ka ho sahy hitsipaka izay mifanohitra amin’ny maha kristianina antsika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...