Alarobia 10 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

0 : 00

Ny teny hoe "Lalàna sy Mpaminany" dia voambolana fampiasa tao amin'ny Testamenta Taloha, entina hamaritana ny endri-pifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany, ka rehefa tonga i Kristy dia tsy noravany, fa vao mainka aza nandavorary sy nanatanteraka izay voasoratra tamin'ny alalan'ny didim-pitiavana Izy, na lazaintsika hoe : "Fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny namana". Raha tarafina amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona andavanandro, dia efa lasa ny zavatra taloha fa efa tonga ny zava-baovao. Tia vaovao mantsy olombelona ary tia manovaova zavatra, indrindra rehefa tonga eo amin'ny fitondrana, na eo amin'ny seha-pikatrohana. Ny tenin'Andriamanitra anefa tsy mba toa izany fa sady tsy miova no tsy mivaona. Izay no nahatonga an'i Jesoa niteny hoe : "Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka". Ny tian'i Jesoa ambara dia ny hoe, tsy izay tiantsika no atao eo amin'ny fiainana, fa izay sitrapon'Andriamanitra no tokony ho katsahantsika sy ho tanterahantsika mba ho fandraisana ny fiainana sy ny hafany.

Ry havana, ny Lalàna sy ny Mpaminany no loharano mirakitra ny fitiavan'Andriamanitra antsika olombelona, noho izany, ny Lalàna dia tsy tanjona fa fitaovana natao hanampy antsika himbom-piainana tanteraka amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa. Ary ny faminaniana rehetra nataon'izao Mpaminany rehetra izay nirahan'Andriamanitra dia mba hampianatra antsika sy hanitsy antsika. Jesoa Tompo ô. Ny fanatanterahana ny Lalàna an-tsakany sy an-davany no fiainana ny fitiavana nosoritanao, koa ampio izahay hahay handray izany sy hitandrina izany toy ny anakandriamaso. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...