Talata 09 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

0 : 00

Tsy zoviana amintsika intsony fa anisan'ny singa fototra tsy maintsy ilaina ao an-tokantrano ny sira sy ny jiro. Ny sira, natao hanome tsiro, izany hoe hahamasina, ary ny jiro indray kosa natao hanazava. Tsy fanoharana intsony no atoron'i Kristy fa fampianarana sy fampitan-kafatra. Izany tokoa ilay hoe : "ny tena ihany no hanarina, ary izay tiana mitombo tarehy".

Ry kristianina havana, isika izay mandre sy mandray izao fampianarana izao, meteza hanome tsiro, hanamasin-tena sy hanamasina ny fiainan'ny hafa sy ny manodidina amin'ny alalan'ny teny, amin'ny alalan'ny fihetsika ary indrindra indrindra amin'ny alalan'izay ataontsika, satria ny teny manaitra fa ny atao mahasarika. Fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hoy i Jesoa, dia ariana any alatrano ka hitsahin'ny olona : izany hoe tsy mahavita ny asany. Meteza ihany koa isika ho fahazavana, hanazava ny maizina rehetra. Ny fahazavana mantsy dia tsy maintsy mila faharetana raha tsy mitsilopilopy. Efa nandray ny fahazavana tamin'i Kristy isika tamin'ny alalan'ny Batemy izay noraisintsika, ary iza no tsy mahafantatra hoe ny demony no tia manjaka ao anatin'ny haizina.

Io toetrantsika io, io tsy fahamendrehantsika io no iantsoan'i Jesoa antsika mba ho sira sy ho jiro. Ka aoka isika hifanome hasina, hifanazava satria isika dia efa "Mpisorona manjakaka, Firenena masina, Vahoaka navotana" ka afaka mifanamasina sy afaka mifanazava. Jesoa ô ! ny herin'ny teninao anie, hanova ny fiainanay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...