Alarobia 27 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11-19 — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

0 : 00

Ry kristianina Havana, ny Evanjely amin’ity andro anio ity dia mbola mampahatsiahy antsika ny tapany faharoa amin’ilay “Vavak’i Kristy Mpisorona”. Vavaka mifono hafatra no ataon’i Jesoa. Efa nasehony fa Izy sy ny Ray dia Iray ihany. Asehony eto amin’ny vavaka koa fa iriny ho iray tahaka azy ny mpianatra. Asongadin’i Jesoa fa izy mbola teo anivon’ireo mpianatra dia nikendry mandrakariva ny haha-iray sy hampiombona ireo mpianatra. Tiany hitohy izany na dia tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony aza izy. Io vavaka io anefa tsy mangataka ny hanalàna ireo mpianatra eo amin’izao tontolo fa ny hitehirizana sy ny hiainan’izy ireo ny fahamarinana eo amin’izao tontolo izao hanirahana azy.

Ny zavamisy ankehitriny anefa dia jereo : samy mba mitonona ho kristianina ihany, samy milaza ho mpianatr’i Kristy kanefa dia samy manana ny fiainany, samy manana ny lalany. Misy aza ny mifanenjika sy mifankahala. Misy mihitsy ny mifamono. Natao ho antsika koa io vavak’i Kristy io. Aoka ary isika hikendry ny fiombonana. Lasa toetra mifanohitra amin’ny tena mahakristianina no mahazo laka rehefa tsy vonona ho amin’ny tena fiombonana sy firaisana tanteraka isika. Lasa adino ny tena fahamarinana ao amin’i Kristy raha ny firehah-kevitra na ny fisainan’olombelona fotsiny no mibahan-toerana. Enga anie ny Fanahy Masina, efa noraisintsika tamin’ny Batemy sy hankalazaintsika amin’ny fomba manokana ny nidinany tamin’i Masina Maria sy ny Apostoly amin’izao fetin’ny Pantekôty izao hamongotra izay mampisara-bazana sy hamboly ao amintsika ny Firaisana Lavorary natoron’i Kristy. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...