21 avrily 2025 — Alatsinainy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 8-15)

Ry kristianina havana; mitohy hatrany ny fandinihantsika ny misiterin’ny Paka. Hitantsika tamin’ny Evanjely teo fa vehivavy no nanambarana voalohany ny nitsanganan’i Jesoa ho velona; fa nahoana tokoa moa no tsy i Piera ilay vatolampy iorenan’ny Eglizy sy nomena ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra? Nahoana no tsy i Joany ilay mpianatra malalan’i Jesoa? Satria safidin’Andriamanitra izany; satria tian’ Andriamanitra harenina ilay korontana vokatry ny nataon’i Eva taloha; tontolo vaovao no manomboka miaraka amin’ny fandresen’i Kristy, amin’ny andro voalohan’ny herinandro. Rehafa nihaona tamin’i Jesoa ireo dia lasa nihazakazaka nanambara izany; tsy mamela hipetra-poana ny finoana fa mahazaka maniraka.

Tany Galilea no fotoana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany satria tany Galilea no niantsoany azy ireo voalohany. Tian’i Jesoa haverina amin’ny laoniny ilay fifandraisana lalina. Tsy nanaraka na nanao am-po tamin’ireo mpianany nivadika taminy sy nandao azy tamin’ny sarotra i Jesoa fa namerina indray ny fitokisany azy ireo sy ny fitiavany (“rahalahiko, hoy i Jesoa”) sy ny fiantsoany. Izany no hatsaran’Andriamanitra. Izany no vokatry ny Paka.

Nandà ny fitsanganan’i Jesoa hatramin’ny farany kosa ireo manam-pahefana Jody, nanidy fo, nanampina ny konsiansy, eny fa tonga hatramina sisi-bola sy tsolotra aza. Vola no namadihan’i Jodasy Iskariota an’i Jesoa; dia eto koa mbola vola no amitahana vahoaka. Mbola izany mandraka androany. Fiainam-baovao no andrasan’Andriamanitra amintsika; meteza hodiovina sy hohavaozin’i Kristy nandresy. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...