16 avrily 2025 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)

Mbola mitohy androany ny fandinihana Masina izay ataontsika mikasika ilay sarin-teny, hiaritra fijaliana mafy i Jesoa Kristy noho ny fitiavany hamonjy antsika olombelona. Araka ny voalaza ao amin’ny Evanjely tamin’ny Zoma Masina dia fampijaliana tsy eran’ny aina no natao tamin’i Jesoa, nororana ny tavany, nokapohina karavasy, fanesoesoana, tehamaina. Tsy misy olona afaka miaro azy fa miaritra ny fahoriana irery i Jesoa, tsy nilefa, tsy namaly i Jesoa. Fihetsika feno fitiavana no nasehony, mampianatra antsika ho tia fahavalo izy ary handresy ny ratsy amin’ny soa ka tsy hamaly faty satria tena tsy vahaolna ny valifaty.

Asehon’i Jesoa ao amin’ny Evanjely kosa fa i Jodasy mihitsy no nanao ny ezaka rehetra hamadihana an’i Jesoa, omenareo ohatrinona aho dia hatrolotro anareo izy. Antsitrapo no nangatahany vola tamin’ireo manam-pahefana Jody, ny lohadohan’ny mpisorona ary nomena vola telopolo izy, izay no vokatry ny fitiavam-bola tafahoatra. Na dia teo aza anefa ny famadihan’i Jodasy dia niezaka ihany i Jesoa nanatanteraka ilay fiaraha-misakafo farany niaraka tamin’izy roa ambin’ny folo lahy. Ireo Apostoly no nanomana izany araka ny fanirian’i Jesoa. Teo am-pihinanana iny indrindra no nambarany tamin’izy ireo fa hamadika azy ny iray amin’izy ireo “lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy”. Somary sadaikatra be ihany ny sasany izay tsy manan-tsiny mifanontany tena. Mampalahelo fa izany no zava-misy. Tsy lavitra antsika ny fahavalontsika, matetika dia olona izay akaiky antsika eo ihany no manimba ny fiainantsika, noho ny fialonana sy ny fitiavan-tena ary ny haratsiam-panahy maron’ny olona te hanjaka tokana. Misy azy ny mahasahy manakarama olona mba hamonoana ny hafa. Mety misy manana toetra mitovy amin’i Jodasy isika io indraindray, be fialonana sy matim-bola, tia fahefana, tia voninahitra ary mahasahy mamono sy mamitaka olona noho ny fikatsahana tombontsoa manokana.

Soa fa tia ny mpanota i Jesoa. Sahiny ny miara-misakafo amin’ny mpamadika azy. Mba nandà an’i Jesoa ihany koa i Piera fa nanenina mafy izy tamin’ny farany ary nahazo famindram-po koa. Ny olana tamin’i Jodasy kosa dia izy tsy nahatsapa ny hadisoany, tsy niverin-dalana tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny na dia efa nambaran’i Jesoa azy aza fa izy no hamadika azy. Notohizany hatrany ny tanjony. Ny zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana azy kanefa loza ho an’izay olona hamadika ny zanak’olona, tsara ho azy ny tsy teraka” Napetrak’i Jesoa eo anoloan’i Jodasy ny safidy. Izy no tompon’andraikitra feno amin’ny zavatra nataony, indrisy anefa fa tsy nibebaka i Jodasy, loza ny niafarany. Naleony ny vola toy izay ny fibebahana. Tsy tsapan’i Jodasy ny fihetsika feno fitiavana sy firahalahiana nasehon’i Jesoa taminy teo am-pihinana hariva. Aza adinoina fa na dia eo amin’ny fotoana farany dia mbola afaka mamindra fo amintsika Andriamanitra raha mibebaka isika.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...