12 avrily 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)
Ry mpihaino hajaina, hiroso sahady amin’ny herinandro masina isika rahampitso, manomboka amin’ny fankalazana ny sampankazo izany: ahatsiarovana ny nidiran’i Jesoa manetriketrika tao Jerosalema. Nankalazaina sy nihobiana ny nidirany tao fa Izy ilay mpanjaka nandrasana hanavotra ny vahoaka kanefa vetivety foana koa dia nivadika taminy sy niantsoantso mafy hoe fantsio fantsio amin’ny hazofijaliana izy, hoy ny vahoaka. Toetra raiki-tapisaka amintsika olombelona ny toetra mora mivadibadika, tsy mitazona ny teny atao.
Hiatrika fijaliana sy fahafatesana i Jesoa. Efa niandry Azy ny lohandoham-pisorona sy ny Farisianina: “Dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy”. “Tsy mahalala na inona na inona ianareo na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray mba tsy ho rava ny firenena manontolo”. Tsy misy hevitra intsony na dia efa ela aza no te-hisambotra an’i Jesoa ny olona, hampangaina sy hovonoina hotoraham-bato fa mbola tsy tonga ny fotoana. Nitomany an’i Jerosalema Izy nohon’ny tsy fibebahany: raha izay kosa mantsy hianao no mba nahalala izay hampiadana anao … hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao” (Lk 19 41.44). I Jerosalema izay namono ny mpaminany rehetra tao an-tananany noho ny tsy fahalalany fa irak’Andriamanitra izy ireo.
Resy lahatra ny olona rehetra tamin’ny asa rehetra nataon’i Jesoa ka nino Azy indrindra noho ny fahagagana nananganany an’i Lazara ka natahotra ny mpitondra sao hanaraka azy ny vahoaka. Kajikajy politika no antony iray lehibe hamonoana Azy. Mbola mety miseho mandraka ankehitriny koa izany fiarovan-tseza, fiarovam-boninahitra izany ka mety mitarika amin’ny famonoana mihitsy tahaka ny nahazo an’i Jesoa. Ny fahafatesan’i Jesoa anefa dia hitondra soa ho an’ny olona araka ny faminanian’i Kaifa: “Ho faty ho an’ny firenena i Jesoa ary tsy ho an’ny firenena ihany fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antokony iray”.
Ny Fiangonana na ny fianakaviana vaovaon’Andriamanitra dia tsy miankina amin’ny fiaviana na firazanana intsony tahaka ny tamin’ny testamenta taloha fa miankina indrindra amin’ny finoana an’i Jesoa. Ny finoana Azy no maha-iray ny mpino rehetra sy maha-mpirahalahy.
Tapitra àry ny karemy, efa-polo andro no nanavaozantsika ny maha-Zanak’Andriamanitra antsika araka ny antso tamintsika hoe: mibebaha ary minoa ny Evanjely. Vonona ary ve isika hankalaza ny Paka amim-pahamendrehana?
Ry Ray ô, misaotra noho ny nanomezanao anay fotoana hanavaozanay ny fiainanay. Misaotra fa afaka nibebaka sy niverina taminao izahay. Amen.