29 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity
tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany:
“Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly.
Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray.
Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe:‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho
fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra,
tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza;
mifady hanina indroa isan-kerinandro aho,
ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny
sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory,
fa nandona ny tratrany nanao hoe:‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’
Lazaiko aminareo
fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony,
fa tsy ilay anankiray;
fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”