9 marsa 2025 — Alahady Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 1-13)
Eto am-panombohana ny karemy isika, fotoana ahatsiarovan-tena hoe: iza marina moa isika? Fotoana koa hiverenana amin’Ilay Andriamanitra Ray, ka iainana indray ny toetry ny maha zanak’Andriamanitra. Raha zanak’Andriamanitra tokoa isika dia hanaiky hotantananany, tsy hanery an’Andriamanitra hankatò izay tiantsika hatao na lalana tiantsika hodiavina, na ny fombantsika, fa hatoky tanteraka Azy. Fa hanao koa ny sitrapony ho toy ny sakafo, antoka mahavelona antsika ara-panahy. Tao anatin’ireo toetra sy fomba ireo no niantson’Andriamanitra ny vahoaka, ilay vahoaka Israely, nantsoiny mba ho zanaka malala. Kanefa nanomboka tamin’ny fanafahany azy ireo tany Egypte, nandritra ny dia nataony tany an’efitra ary indrindra teo amin’ny fiainany, dia tsy niaina io antso maha zanaka azy io izy ireo.
Eo anatrehan’ny fiainana ny maha zanak’Andriamanitr, indrindra manoloana ireo fakam-panahy, ny fandriky ny demony, no ianarantsika, Israely vaovao, an’i Jesoa. I Jesoa Ilay Adama vaovao, nanohitra ireo fakam-panahy nahalavo antsika olombelona tany am-piandohana, ary mbola Izy ihany koa no naneho tamintsika izany hoe: fiankinana tanteraka sy tsy fivadihana tamin’Andriamanitra izany. Ireo endrika fankam-panahy mbola miseho mandraka ankehitriny mantsy, dia mamily lalana antsika tsy handeha araka an’Andriamanitra, mampihena, na manafoana mihitsy aza, ny fitokisantsika an’Andriamanitra fa hiantehitra amin’ny zavatra hafa, hanao ho zava-dehibe sy ambony ny zava-mandalo eto an-tany, toy ny voninahitra, ny vola sy ny harena, izay hohanina, eny hatramin’zay endrika fahafinaretana manimba sy mamono aza.
Eo anatrehan’ny efitr’izao tontolo iainantsika ankehitriny izao, izay tontolo tsy misy an’Andriamanitra, tontolo manadino an’Andriamanitra, tsy misy afaka tena hiaina ny maha zanak’Andriamanitra azy, ny tena maha kristianina azy, raha tsy mianatra an’i Kristy. I Kristy sahy nanohitra ireo fankam-panahy ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra Rainy na oviana na oviana.