3 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)
Aseho amin’ity sombina Evanjely teo ity ny fomba ahazoana ny Fanjakan’Andriamanitra. Atao ahoana ny fanatonana an’Andriamanitra? Arahina akaiky ny nataon’ity lehilahy ato amin’ny Evanjely ity. Afaka manatona Azy na lehilahy na vehivavy, tsirairay na miaraka, midodododo, entanim-po amam-panahy hihaona Aminy ka tsy milasilasy. Mila manatona fa tsy miandry mahazo, amin’ny fotoana sasany aza mandohalika mihitsy, toy ny hita eto: maneho fanetren-tena izany, manao Azy ho ambony fa ny tena ambany ary teo anatrehany, fa tsy any ambadika, izay vao nanontany ka niresaka ilay olona teto. Modely ho antsika izany eo amin’ny fiainana. Fa manao ahoana tokoa moa isika rehefa manatona Azy, indrindra rehefa mankany amin’ny Eglizy? Vitantsika ve ny manao toa ny nataon’ity olona ity? Sa efa entim-pahazarana fotsiny ka toa mandeha ho azy. Indraindray aza moa maika ery amin’ny seza hipetrahana fa tsy manao mari-panajana akory an’Andriamanitra, amin’ny fihaonana Aminy, Izy izay miandry antsika mandrakariva ao amin’ny Eglizy, ao amin’ny Tabernakla.
Isan’ny imatimatesantsika ny mikatsaka ny fiainana mandrakizay, izay tsy inona fa ny lanitra izany. Ka izay ataontsika rehetra, ny eritreritra manontolo, izay lazain’ny vavantsika no tsara ikatsahana izany. Ka aoka afantoka amin’izany àry ny fiainantsika manontolo. Fa izao, indraindray tsy mahay mangataka isika ka ahitsin’i Jesoa toy ny hita eto: “Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery”. Fombantsika mantsy ny mandoka ilay hangatahana raha te hahazo zavatra, fa amin’Izy Andriamanitra tsy voatery ho toy izany. Efa fantany izay mahasoa antsika. Izao koa, i Jesoa aza tsy mety atao hoe tsara kanefa tena mihoatra ny hatsarana Izy, fa misy amintsika anefa miseho ho tsara eo amin’ny fiainany fa angaha mbola ambony noho i Jesoa? Tsy ny bika aman’nedrika no asian-teny eto fa hafa, toy ny toetra, ka aza miseho milay! Tsy mila dokafana toa papelika izany na siahana toa ny vorontsiloza ka lasa mieboebo fa miseho ho azy eny izany raha tena tsara tokoa, fantatra eny foana izany fa tsy mila ambara akory. Ny miezaka sy miaina ho tsara mety fa hafahafa kosa ny miteny sy miseho milay ho tsara!
Raha te hahazo ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy manaraka ny Didy aloha, ka aoka tsy handingana. Io aza moa efa tsy voatandrina, mainka fa ny tohiny. Tsy ampy anefa izany fa misy zavatra tsy maintsy afoy ihany koa. Eto izao ny fananana, matetika mantsy ifikirantsika iren. Tsy maintsy afoy izay zavatry ny tany manakantsakana sy manelingelina antsika tsy mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Inona avy ny fananana tsy maintsy amidy ao amintsika rehetra ao? Ary rehefa amidy tsy ho antsika fa omena ny mahantra. Midika fahafoizana tanteraka.
Ambonin’izany rehetra izany, miantefa amintsika ihany koa ity nataon’i Jesoa tamin’ity tovolahy ity: “Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy”. Mijery antsika Izy, tsy ankatezerana fa am-pitiavana satria tia antsika, tena tia antsika Izy fa isika no malailay fonosana matetika, toy ny fary, ka mety ho saro-tiavina. Tsarovy mandrakariva io fihetsika nataon’i Jesoa io fa mbola ataony amintsika foana hatramin’izao.
Niala tamin’alahelo ity tovolahy ity fa tsy nahafoy, noho izy nanan-karena loatra, ka tandremo ny toy izany: te hividy ny lohany nefa matahotra ny masony. Tandremo ny misaraka amin’Andriamanitra fa zava-doza. Miaraka Aminy aza sahirana indraindray, mainka moa miala Aminy! Ny hiaraka amin’i Jesoa mandrakizay no aoka hirifantsika fa tsy ny hisaraka Aminy izany. Very isika raha miala aminy.
Dingana fahatelo farany ny manara-dia an’i Jesoa. Ka efa tonga amin’ny dingana fahafiry isika? Sa sanatria mbola tsy nanomboka akory! Tsy misy tara izany eo anatrehan’Andriamanitra ka atomboy na tohizo ny ezaka sy ny lalana efa natomboka ny amin’izany. Tsarovy foana fa mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra, na ireny zavatra tsy efantsika ireny aza, ka tsy misy atahorantsika. Mirary soa antsika mandrakariva e!