2 marsa 2025 — Alahady Tsotra fahavalo Mandavantaona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-45)
Mampianatra i Jesoa eto mba tsy hifampitarika anaty haizina ka tsy hianjera: ny jamba mahatari-dàlana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny masom-batana mahita fa ny masom-pinoana tena maizina tanteraka. Aoka ny mpitondra sy ny mpitarika tsy ho jamba fa hahita sy hahiratra rehefa hitarika ny olona entiny izay efa jamba rahateo; raha tsy izany manao toy ny ataon’ny Farisianina. Efa tonga i Jesoa Fahazavana fa aleon’izy ireo mitakiky anaty haizina sy mandroaka an’Ilay Fahazavana tonga eo anivony.
Mpampianatra ambony indrindra, azo antoka i Jesoa, ka tsy tanjona ny hihoatra Azy, fa ny hitovy Aminy ahay, izay aza efa manahirana. Anjarantsika ny manara-dia Azy. Izay no nahatonga azy hilaza hoe: ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Amin’ny fiainana andavanandro mantsy mety hoe: lasa ambony lavitra ny fahaizan’ny mpianatra any aoriana: diplaoma iny fa ny traikefa tsy hitovy na oviana na oviana, fa manatombo hatrany ny mpampianatra. Koa tsy ny amin’izay loatra no tiana ambara eto fa ny momba Azy Kristy mihitsy, ka tanjona ho antsika rehefa ny tena hiombom-piainana, iray Aminy tanteraka. Tsy misy tanjona hafa ivelan’izany.
Ankoatra izany, maika ery isika manasoketa ny hafa fa tsy mahay mijery tena. Izao anefa: matetika iny lafy ratsiny hita amin’ny hafa iny toa ataon’ny tena matetika fa fitaratra isehony fotsiny ny hafa ka eny izy vao tazantsika. Diniho tsara anie ny fanondro rehefa manondro fa ny rantsan-tanana efatra hafa toa mitodika amin’ny tena fa ny iray ihany, izany hoe ny fanondro, no manondro ny hafa. Mitarika antsika indrindra handinihan-tena aloha izany. Ny ratsy be ataonao tsikaritra kely eny amin’ny hafa ka maika ery hanesotra izany an’ny hafa izany kanefa ny an’ny tena tsy raharahiana akory fa vao mainka aza mitombo, miha mavesatra. Alohan’ny hitenenana ny hafa aoka handini-tena tsara aloha. Tsy midika izany fa miandry ho lavorary vao hiteny ny hafa fa adidy koa izany. Ny tsara dia sady miteny ny hafa no manesotra izay tsy mety ataon’ny tena. Tsy mety mantsy raha ny hafa tianao alàna fa ny an’ny tena tsy hay esorina akory. Izany no mahatonga an’i Jesoa hilza hoe mpihatsaravelatsihy izay manao izany: “Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao”. Tadidio fa kely dia kely ny sombim-bozaka, izy aza hoe: sombiny, raha mitaha amin’ny sakamandimby, izay lehibe tokoa. Ny maso tokoa angamba tsy mahita ny an’ny tena fa ny an’ny hafa foana ka mila hahitsy izany, indrindra amin’ny fiainana kristianina sy ara-pinoana.
“Samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra”, hoy i Jesoa tamintsika teo, ka sao tsy mamoa akory, na sanatria voa efa lanin’ny bibim-pahotana na toy ny voara ka efa feno vitsika, na zara raha mamony fa tsy ampy oram-pibebahana! Taon-jobily izao ka mila mandini-tena isika.
Hoy koa Izy hoe: “Ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany”. Inona marina no tena ao am-pontsika ao? Ny an’ny sasany izany teny ratsy no ifampiresahana, ireny ve tsy midika fa ratsy no mameno ny fony? Tsy hoe tsy kristianina izy ireny fa misy ary betsaka no kristianina. Aoka re tsy ny ratsy no ifanaovana fa ny tsara e! Tsy aleo ve ny tsara no avoakan’ny vava satria ny tsara no be ao am-po. Aoka hifanatsara isika fa tsy sanatria hifanaratsy foana! Alao hery àry!